VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

vendredi 13 mai 2011

Isandra Fianarantsoa: Tafatsangana ny lapan'ny distrika

Trano vaovao ho birao fiasana ny distrikan'Isandra ao amin'ny faritra Matsiatra Ambony no vita ankehitriny. Tranon'ny distrika izay miorina ao amin'ny kaominin'Isorana. Mitentina 129 tapitrisa ariary mahery ny saran'ny fanorenana. Famatsiam-bola avy amin'ny ministeran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fitsinjaram-pahefana no nisahanana ny fanorenana. Ny ministeran'ny Atitany kosa no niantoka manontolo ny fampitaovana ny birao.
Ny nizarana ho distrika telo an'i Fianarantsoa II tamin'ny taona 2007 no nahatonga an'Isandra,Vohibato, Lalangina ho lasa distrika, ka sambany ny distrikan'Isandra vao nahazo izao birao vaovao iasana izao. Isandra izay ahitana faominina 11 sy fokontany 103.
Enintsoa Randriamandimbisata no lehiben'ny distrika ao Isandra amin'izao fotoana izao.
Delegasionina mafonja avy amin'ny fitondrana tetezamita no tonga nitokana izany omaly alakamisy 12 May tany Isandra. Nahitana minisitra efatra, dia ny minisitry ny Atitany Florent Rakotoarisoa, ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fitsinjaram-pahefana Hajo Andrianainarivelo, ny minisitry ny Fiompiana Bary Emmanuel Rafatrolaza, ny ministry ny Asam-panjakana ny Asa ary ny Lalàna sosialy Henri Rasamoelina. Tonga nanotrona ihany koa ny mpikambana ao amin'ny Kaongresin'ny tetezamita Razafinjato Aurélie, ny lehiben'ny faritra Matsiatra Ambony, Amoron'i Mania, Atsimo Atsinanana, ary ireo lehiben'ny distrika rehetra ao amin'ny faritra Matsiatra Ambony.
Nandritra ny lanonana koa no nizarana ireo titra na bokin-tany vita izay miisa 1880 tamin'ny alalan'ny hetsika fizarana titra faobe nataon'ny ministeran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Ampahany faharoa ireto vita ireto satria efa nisy ireo titra miisa 650 vita tamin'ny herin-taona.
Titra miisa 8120 no hotrararina ho an'ny distrikan'Isandra sy ny faritra Matsiatra Ambony mialoha ny faran'ny taona.
Samy niantso ny mba hitondrana ny fampandrosoana ity distrika ity avokoa ireo nandaha-teny. Maro taranaka manam-pahizana sy avara-pianarana rahateo i Isandra ka ny hitondran'izy ireo ny anjarabirikiny mba hampandrosoana ny tany niaviany no andrandrain'ny vahoaka ao aminy. Mbola maro rahateo ny fampandrosoana izay mbola ilana fifanomezan-tanana ao amin'ity distrika ity raha tsy hiteny afa-tsy ireo fotodrafitrasa toy ny lalana, ny fifandraisan-davitra, ny jiro, ny fampianarana sy ny sisa. Hiezaka hanao izay tandrify azy arakaraka ny eo ampelatanana rahateo ny fitondram-panjakana.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire