VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mercredi 9 février 2011

ORAMBE TANY TOLIARA I SY II Roa no maty, anjatony tsy manan-kialofana

Tsy nampoizina ! Orambe mikija no niseho tany Toliara I sy II tamin’ny alakamisy teo. Tsy fahita hatramin’izay mihitsy no nitranga satria tsy mba rivodoza no niseho fa orambe nandritra ny 12 ora be izao. Nambaran’ny talem-paritra Atsimo Andrefana (Dagt), Lydor Solondraza, fa tamin’ny 9 ora maraina no nanomboka avy ny orana ary tsy nitsahatra raha tsy tamin’ny 9 ora alina. Vokany, hatreny an-dohalika ny rano tao an-tampon-tanànan’i Toliara I, ary vaky ny vahilava miaro ny tanàna. Roa no maty ka iray tany Sanfily ary mpitondra lakana ny faharoa. Hatrany Toliara II ity ora-mikija ity, ary aman-jatony ireo tsy manan-kialofana any amin’ireo distrika roa ireo. Tsy mbola nisy ny toerana nanatobiana azy ny tao Toliara I fa tany amin’ny fianakaviany avy no niantrano. Efa voaray lisitra kosa ny anaran’ny tany Toliara II, saingy tapaka ny lalana. Niainga omaly hariva avy aty Antananarivo ny tompon’andraikitry ny Birao fitantanana ny loza voajanahary (Bngrc), notarihin’ny tale ny fitantanana sy ny vonjitaitra hanombana ny zavatra simba sy handrindra ny paikady horaisina.
Fiovaovan’ny toetr’andro
Manaporofo ny fiovaovan’ny toetr’andro ity tranga any Toliara ity. Haintany no hita tany hatramin’izay, saingy orambe kosa no tambiny ao anatin’ny fotoana tsy ampoizina. Tamin’ny taona 2010, mbola nahitana rivodoza tany an-toerana ny volana mey, fotoana efa tsy tokony hitrangan’izany intsony. Amin’izao fotoam-pahavaratra izao, mihantona tanteraka ny orana saika manerana ny Nosy, na dia aty afovoan-tany, tena ahitana oram-baratra aza. Izany hoe, ny orana entin’ny rivodoza sisa no azo antenaina. Tsiahivina fa tsio-drivotra alize, mitsoka avy any avaratra no mitondra orana, saingy malefaka no miseho ankehitriny, ka izay no tsy mety mahavanona ny orana. Rivotra avy any atsinanana kosa no mitsoka rehefa ririnina.