VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

dimanche 29 mai 2011

Mirary fety sambatra ho an'ireo reny rehetra

Ho an'i Neny



Ho an'i Neny
Ho an'i Neny nahitako masoandro
Ianao nahatonga ahy ho olona
Na ny alina, na ny antoandro
Tsy nijanona ianao, fa nitolona.
Ho an'i Neny tsy nitandro hasasarana
Izay niankin-drindrina irery
Niandry ahy foana teo am-baravavarana
Tsy mba namela ahy ho very.
Ho an'i Neny fola-damosina
Nampinono, nitrotro, nibaby
Tsy namela ny fiainako hitrosina
Nampianatra ahy mba hitady.
Ho an'i Neny tsy lany fitiavana
Dia ilay fitiavana tsisy takalo
Fon-dReny tsy hita avanavana
Ilay fitiavana tsy mba nimalo.
Ho soa sy ho tian-Janahary
Ianao Reny Tiana, Mamy sy Lalaina
Hifanantitra aminay, tsy harary
Ho salama, tsy ho farofy aina.

Lanto