VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mercredi 10 octobre 2012

Taolagnaro : Tovolahy kely 12 taona romotra vokatry ny jamala

Baranahiny amin’izao fotoana izao ny fifohan’ireo mpiangaly ny rongony amin’iny renivohitr’i Fort-dauphin iny.Tao amin’ny tora-pasika Ambinanikely-Ankoba, tovolahy iray no nigagan’ny olona. Sendra nanao “plage” na nandro teny an-dranomasina izy no nifamaly tamin’ny namany, izay mbola mitovy taona aminy. Tsy fantatra izay nahazo azy teo fa avy hatrany dia nenjehiny tamin’ny alalan‘ny tora-bato sy antsy maranitra. Avy hatrany dia nandositra nitsoaka matanjaka ity farany. Voalaza fa saika notetetetehiny mihitsy ilay tovolahy kely raha tratrany. Tamin’ny fanahadihadiana ihany no nahafantarana fa hay avy nifoka rongony izy izao saika nanao ny tsy fanaona izao. Samy gaga ny rehetra. Ny namany ihany no nitantara fa hay ity tovolahy kely romotra ity anisan’ireo kilonga madinika mpirenireny tsy manan-kialofana sady mpangarom-paosy ao amin’ny tsena Tanambao, any an-toerana. Simba ny ho avin’ny tanora raha izao no mitohy. Mahakasika ny fihanaky ny rongony dia toa mitazam-potsiny ireo tomponandraiki-panjakana, indrindra ireo mpitandro ny filaminana.Ny mahavalalanina dia eo am-bavahadin’ny mpitandro ny filaminana Tanambao, tsy tahotra tsy henatra, hatramin’ny lazaina fa adala sy hendry samy, midoroka avokoa. Dia mandeha ho azy e!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire