VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mercredi 10 octobre 2012

Ankasina: Mpivarotra saribao sady voaroba no voaolana


Miharihary toa ny tafika an-drefan-tanàna fa marefo dia marefo amin'izao fotoana ny fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro eto amin'ny Nosy.
Isan'andro dia ahenoana fanafihan-jiolahy etsy sy eroa…, na manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny famerenana izany aza ny mpitandro ny filaminana dia hita miharihary tamin'ny fanadihadiana nataonay ny tsy fahampian'ny olona sy ny fitaovana ampiasain'izy ireo amin'ny fanatanterahany ny asany, izay anaovana antso maika amin'ny mpitondra fanjakana mihitsy ny fampitaovana azy ireo, ohatra ; solika…sy izay rehetra mety hamerenana izany haingana amin'ny laoniny fa mitaintaina toa ny sahobakaka ambodiriana ny isan-tokantranom-baravarana rehefa milentika ny masoandro. Tsy ny any atsimo ihany no hanaovana hetsika manokana fa ampiaro isaka ny renivohitra rehetra izay hianjadian'izany ny " operation " amin'ny tsy fandriam-pahalemana mba hiadanan'ny vahoaka iray manontolo ka tsy hitaintaina isan'andro vaky izao intsony…
Ny alin'ny zoma hifoha sabotsy lasa teo tokony ho tamin'ny irao ora maraina dia mpivarotra saribao teny Ankasina indray no nanaparan'ny andian-jiolahy miisa valo mirongo fitaovam-piadiana ny habibian'izy ireo. Tsy tao an-toerana ny tompon'ny fivarotana fa nandeha nidina tany anaty ala, fianakavian'izy ireo miisa dimy ( lehilahy efatra sy vehivavy iray ) no niandry ny trano. Tamin'ny misasak'alina mahery no tonga ireo jiolahy, avy hatrany dia namoha an-keriny ny varavarana, rehefa tafiditra izy ireo dia nampiasa herisetra ireo olona tao an-trano no sady nitrerona hoe " avoahay ny vola ", tsy misy vola ato hoy ireo voatafika fa mpiandry trano fotsiny ihany izahay, nakorontan'ireo jiolahy ambony ambany ny trano ka vola mitentina 140 000 ariary, izay natao tao anaty boatin-drakitra miampy finday sy vilany be cocotte no lasibatr'ireo mpandroba. Tsy nihonona tamin'ny zavatra efa azony ireo jiolahy fa mbola naolan'izy ireo ihany koa ilay vehivavy tao an-trano. Rehefa azon'izy ireo ny rembiny dia nandositra ireo jiolahy, ireo voatafika kosa nampandre ny mpitandro ny filaminana eo anivon'ny boriborintany fahafito, tonga teny an-toerana ireto farany saingy efa nadio ny lalan'ireo jiolahy. Vao volana vitsivitsy no nanorim-ponenana teny an-toerana ireo mpivarotra saribao voaroba ireto saingy izao lasibatry ny asan-jiolahy izao sahady. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana eo anivon'ny boriborintany fahafito ny raharaha koa antenaina ny ahitan'izy ireo vokatra haingana amin'ny fikarohana ireo andian-jiolahy.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire