VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mercredi 10 octobre 2012

Mariboninahitra – Manahirana ny maka ireo miaramila mpanao porizenitra



Tahaka izao no ataon’ny miaramila manome voninahitra,  ka manao porizenitra
Tahaka izao no ataon’ny miaramila manome voninahitra, ka manao porizenitra
Zo sarotra sitrahana. Mahatsiaro sahirana amin’izao fotoana ireo olon-tsotra na fianakaviana mana-manjo na orinasa mikarakara fety, mangataka miaramila hanao porizenitra. Ankoatra ny fivezivezena amin’ny fikarakarana taratasy, araka ny nambaran’ireo olona niharan’izany, dia eo ihany koa ny vola tsy maintsy aloa.
“Raha olona mila porizenitra no manana fahoriana nefa tsy manam-bola dia tsy mba afaka misitraka izany. Ilay tompo-manjo avokoa mantsy no mizaka ny saran-dalana sy karama rehetra”, araka ny fitarainan’Andrianarisoa William, olon-tsotra.
Mahatratra Ar 40 000 mahery no ilaina amin’ izany ankoatra ny saran-dalana. Nambaran’ity farany fa ao anatin’izany ihany koa ny fitaintainana satria milaza fa tsy ampy olona ireo miaramila misahana izany. “Ny fahasahiranana amin’ny fahoriana efa mavesatra nefa mbola manampy trotraka ihany ny ataon’ireo tompon’andraikitra”, araka ny fitarainan-dRamanankantsoina Sarindra, renim-pianakaviana hafa.
“Matetika rehefa misy raharaha mafana eto amin’ny firenena no tratran’izay tsy fahampiana olona izay. Ny fiara ihany koa tsy ampy ka tsy maintsy ireo olona maka no miantoka ny fangalana sy fanaterana ireo mpanao porizenitra. Ny vola hafa ankoatra izay kosa dia tsy voatery fa izay fifaliam-pon’ ny olona ihany”, hoy kosa ny fanazavana azo tetsy amin’ny Garnison,  Betongolo. Hafatra nampitain’ ireo tompon’andraikitra ao Betongolo ny tokony hanatonana avy hatrany izay tena tompon’andraikitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire