VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 10 janvier 2011

Fidangan'ny vidin-javatra:Tafakatra 4.000 Ar ny kilaon'ny siramamy


Tsy tana intsony ny fidangan’ny vidim-piainana. Tsy mitsaha-mitombo ny vidin’ny siramamy, izay efa mahatratra 4.000 Ar ny kilao raha ny mpivarotra sasany eto an-drenivohitra.
Tsy zaka intsony ! Tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny siramamy fotsy eny amin’ny mpivarotra atsinjarany sasany. Manodidina ny 3.400 Ar kosa ny farafahakelin’ny siramamy mavokely raha ny teny Andravoahangy, ohatra. Entana afarana avy any ivelany ny siramamy ary manaraka ny onjan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Torak’izany koa ny menaka, izay manodidina ny 3.400 Ar ka hatramin’ny 4.000 Ar koa ny iray litatra, ho an’ny tsy ao anaty tavoahangy. Ity farany dia efa mananika ny 5.000 Ar ka hatramin’ny 8.000 Ar, arakaraka ny kalitaony. Misy amin’ireo marika sasany aza no ao anaty tavoahangy nefa mandry.
Vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena
Raha ny tany amin’ny firenena hafa, toa an’i Alzeria, ohatra, nidina an-dalambe naneho ny hatezeram-bahoaka tamin’iny herinandro lasa iny, noho ny fidangan’ny vidin’ny menaka, ny siramamy ary ny lafarinina sy ny varim-bazaha. Niakatra mantsy ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ary manahy ny hitohizany ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana ara-tsakafo (Fao). Nihoatra noho ny nitranga tamin’ny taona 2008 aza ny tondromarika hitan’ny mpanao fanadihadiana, nanomboka tamin’ny volana desambra 2010 teo. Ny haintany any Arzentina, ny dorotanety tany Rosia, ny todradrano tany Pakistan tamin’ny herintaona no anisan’ny antony mahatonga izao fidangan’ny vidin-tsakafo maneran-tany izao. Firenena mpamokatra varim-bazaha, vary, fary ireo firenena ireo. Manafatra any ivelany kosa isika eto Madagasikara. Vokatra eto an-toerana kosa anefa ny 90%-n’ny vary eto amintsika, saingy iharan’ny fiakaram-bidy ihany koa. Andrasana ny fampiharan’ny mpaninjara ilay 1.180 Ar ny kilao.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire