VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

vendredi 21 janvier 2011

Fanonganam-panjakana: 26 janoary-17 marsa 2009

Namoaka tsiambaratelo maro koa
 ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana

 Image
Mbola mitohy ilay resaka ampamoaka momba ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Ireo miaramila nahazoan’ny fitondrana FAT seza, kanefa efa nogadraina, ireto tsy an-kiato mamoaka ny tsiambaratelo ireto. Nanao ampamoaka koa ny Jenerely Noel Rakotonandrasana. Ny momba an’ireny raharaha fandrobana sy fandorana niseho tamin’ny 26 janoary 2009 ireny  no navoakany. Tsy nandehandeha tamin’izao fotsiny ireny fa hay tena nisy mpanomana sy fanomanana henjana, raha ity navoakan’ny Minisitry ny FAT teo aloha ity. Mpanao politika maromaro sy Jeneraly samy manana ny toerany maha izy azy ao amin’ity fitondrana amin’izao fotoana ity no nikononkonona ilay izy niaraka tamina mpitarika “gros bras”. Dia nanakarama “gros bras” izay misy gropy 20 sy 30 avy eny amin’ny faritra iva ry zareo. Raha ity ampamoaka ity dia nokaramaina 1 tapitrisa ariary izy ireo hanao ireny fandrobana sy fandoran-javatra samihafa teto an-drenivohitra ireny.
   Fa ankoatra an’ity dia mbola mitohy ihany ny ampamoaka ataon’ilay mahery fon’ny fitondrana FAT, momba ny fandehan-javatra rehetra nitranga teto. Ny Litena Kolonely Charles io. Navoakany indray ny anaran’ireo olona mpamatsy vola sy ny vola nomen’ireto farany avy. Amina tapitrisa maromaro sy amina miliara avokoa. Misy mpandraharaha ny mpamatsy vola ary mazava ho azy ireo mpanao politika izay manana seza ao amin’ny fitondrana avokoa amin’izao fotoana. 
   Namoaka ny zava-nitranga momba ny raharaha 7 febroary 2009 izay nahafatesana olona maro  koa ny “komanda Charles” tamin’izany fotoana. Jeneraly sy miaramila vitsivitsy niaraka tamina mpanao politika maromaro koa no nanomana an’iny hetsika fiakarana teny Ambohitsorohitra iny,ny alin’ny 6 febroary raha ity tsiambaratelo ity.  Raha ilay  ampamoaka ihany dia neken’ny rehetra ny hoe tsy misy vokany ny fanonganam-pankajana raha tsy misy ra mandriaka. Ireo aloha no hita tena nisongadina tamin’ity ampamoaka ity mahakasika ny nanonganana an-dRavalomanana tamin’ny 2009 fa saika voatanisa ao daholo ireo zava-nitranga tamin’izany fotoana.
Tamin’ny 14 janoary 2011 teo indray no nanoratan’izy roalahy ireto tsiambaratelo goavana ireto. Tany am-pigadrana eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy mazava ho azy. Raha ny vaovao dia nalefa tany amin’Ing. Joaquim Chissano, Filoha mpitarika ny fanelanelanana avy amin’ny GIC izy ity.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire