VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 11 octobre 2010

Diniho Kely: Mila fanaraha-maso

Anisan'ny be mpiresaka ny hoe mandreraka ny fandaharan'ny fahitalavitra rehefa faran'ny herinandro. Ny fanazavana azo dia ny hoe raha tsy famerenana ny zavatra efa nandeha nandritra ny herinandro, hono, no hita dia "dessins animés" efa hita ihany koa.
Samy manana ny "fitiavany" anefa moa ny tsirairay ka ao koa ny "miaro" an'ireo fahitalavitra ireo. Betsaka ireo tsy afaka mijery ny fandaharana mandritra ny andro fiasana ka ny faran'ny herinandro izy ireo no mba manararaotra manaraka an'izay tsy hitany, indrindra moa ireo tantara mitohy. Ny tsy azo iadian-kevitra ihany koa dia ny fankafizan'ny ankizy ny sary miaina, izay na hiverimberina fahazato faharivo aza dia tsy hampaninona azy ireo mihitsy. Ny mamerina mijery ny efa hitany aza no tena tian'izy ireo. Ankoatra izany koa moa dia safidin'ny tomponandraikitry ny fahitalavitra isanisany ny momba izay fandaharana halefany, ka raha ny tahaka izany no mety aminy, inona no azon'ny mpijery atao ê?
Na izany na tsy izany aza anefa dia misy ihany ny fanamarihana tiana hatao, raha ny re tamin'ny tantaran'ny olona, momba izany zava-nasehon'ny fahitalavitra sasany tamin'ny faran'ny herinandro teo izany. Tsy olona iray na roa tokoa mantsy fa maromaro no niantso an-tariby ka nilaza fa horonan-tsary nahitana fihetsika mamoafady no nalefan'ny televizionina sasany. Nisy mihitsy aza, hono, no nampiseho ny samy lehilahy nanao… "havetavetana", ary tsy mba natao nanjavona toy ny "fanafenana" azy hatramin'izay akory ny sary tamin'izany. Ankoatra izany, hoy ny mpitantara, dia tsy napetraka ihany koa ilay soratra fahita eo ambany milaza ny hoe "tsy azon'ny latsaky ny izao taona jerena". 
Toa izany ny ambangovangony amin'ny tatitra koa tsy hahagaga angamba raha mipetraka ny fanontanian'ny mpanaraka ny raharaham-pirenena manao hoe fa maninona àry ê?... Fa angaha tsy voarakitra ao anatin'ny bokin'andraikitra ny fandrarana ny tahaka izany?... Efa henjana tokoa angamba ny fifaninanana ka dia atao daholo izay rehetra mety hisintonana ny mpijery?
Sady "krizy" tokoa izao no tetezamita… kanefa sao dia mba tokony hasiana fanaraha-maso ihany ny amin'ireny zavatra haseho ny besinimaro ireny ê? Ny fanamarihan'ny mpitantara dia ny hoe tsy isan'ireo voalaza ireo ny fahitalavi-panjakana koa dia anjaran'ireo hafa izany no mandinika.
Alain R.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire