VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 21 janvier 2013

Mangataboahangy: Ny sinoa mpividy vato no tompon'ny lalàna


Mangataboahangy dia kaominina iray ao amin'ny distrikan'Ambatofinandrahana. Toerana malaza amin'ny fitrandrahana vato "cristal"izy.
Hatramin'izay dia hifamezivezen'ireo mpividy vato ity toerana ity, na vahiny na tompon-tany. Tao anatin'ny roa taona izao dia tongan'ny fiara tsy mataho-dalana ity toerana ity, ka nitombo be ny mpivezivezy any. Isan'izany ireo mpividy vato sinoa izay efa misy mipetraka any tanteraka amin'izao fotoana izao. Eo anatrehan'izany dia ireto sinoa ireto no tena manao ny lalàna ao Mangataboahangy ao amin'izao. Raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia miray tsikombakomba amin'ny zandary ao Mangataboahangy izy ireo, sy ny mpitondra any an-toerana koa. Raha ny voalazan'ny loharanom-baovao hatrany dia misy ny fampisehoana hery ataon'ireo sinoa ireo ka izay tsy mety hividianany vato amin'ireo mpitrandraka dia darohan'izy ireo, ary ampiantsoany zandary rehefa avy eo , ka ny zandary indray no mitondra izany any amin'ny "violon". Isan'ny tranga iray izay mbola niseho tsy ela fa nanodidina ny fetin' ny krisimasy  2012 teo iny ny fandratrana nataon'ny sinoa iray atao hoe Mr Lou, izay nidaroka vehivavy bevohoka ary nandratra sy nampiditra hopitaly ity vehivavy ity araka ny loharanom-baovao ihany. Izany Ramatoa Pierrette izany no nodarohany rehefa tsy nety nivarotra vato taminy. Mitondra tena ity ramatoa ity ary naratrany sy niditra hopitaly satria voadaroka hatramin'ny kibo mitondra vohoka. Raha ny loharanom-baovao azo avy amin'ny fianakavian'ny naratra ihany dia nahazo "certificat medical" 26 andro i ramatoa Pierrette ity. Rehefa avy nanao izany anefa ilay sinoa dia nandositra ka tsy hita hatramin'izao. Ny loharanom-baovao ihany no milaza fa nikasa hitsoaka any Chine ity sinoa ity kanefa toa mbola taraiky ao Antananarivo hatramin'izao. Gaga ny antony tsy nisamboran'ny zandary ity tany Mangataboahangy ny rehetra nefa dia sady niditra an-tranon'olona ankeriny no mbola nandratra ihany koa. Zavatra tsy toa izany hoy ny olona any an-toerana dia isamboran'ny zandary olona nefa mahagaga ity raharaha ity fa toa nojerena fotsiny. Marihina fa misy olona folo hafa koa amin'izao fotoana izao mitory ity Mr Lou ity ao amin'ny fitsarana ao Ambositra ankoatra io raharaha iray io. Raha ny loharanom-baovao avy any Mangataboahangy ihany dia efa misy tambazotra na manampahefana amin'ny zandary sy olona mpitondra fanjakana any amin'ny distrikan'Ambatofinandrahana sy faritra  Amoron'i Mania iny hono no miray tetika amin'ireo sinoa ireo. Volazan'ny olona any amin'ity toerana ity fa manjakazaka sy manao izay tiany hatao ny sinoa any.             
Jb

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire