VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

vendredi 27 janvier 2012

Fiarovana ny omby gasy : manana tranombakoka i Bezaha

Harena mampiavaka antsika Malagasy ny omby gasy ka mila arovana izany satria hatahorana ho lany taranaka ankehitriny noho ny asan-dahalo, ny aretina ary ny famonoana tsy am-piheverana ny ombyvavy tokony hahazoana taranaka. Harena mifono kolontsaina sy fomban-drazana ho antsika ny omby ka saro-pady. Anisan’ny fomba iray ho fiarovana azy ny nanandratana ny kaominina Bezaha ho renivohitry ny fandriampahalemana farany teo. Noho ny fiarovana ny omby gasy, izay no antom-pisian’ny tranombaboka tokana maneran-tany, notokanana ny 20 janoary teo, mba hahafantarana bebe kokoa ny mombamomba azy eto amintsika. Vokatry ny finiavan’ny Pr Tsiavaliky Celestin, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Onivesiten’i Fianarantsoa sady mpamorona rahateo ny “Olympiade” teto amintsika no nahazoana nanorona izany. Filohan’ny dahalo tonga saina ihany koa ny tenany no sady filoham-boninahitry ny fikambanana “Acito”, ivondronan’ireo avara-pianarana zanaky ny faritra, manana tanjona sy fanamby ny hampandroso haingana ny ao Bezaha. Tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety no nilazany fa « tsy ho sanatria indray androany ka hisy taranaka malagasy tsy hahafantatra intsony ny omby gasy fa ho tantara sisa ». Nohamafisiny ihany koa, fa « ndao hajoro ny fitondrana mpanabe, raha te-handroso marina isika, fa potiky ny mpanao politika politisianina ny firenentsika ».

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire