VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 6 juin 2011

Raharaha volamena : sahy hiditra lalina ve ny Bianco ?

Nanaitra ny sain'ny mpanara-baovao maro ny nandre fa lamandy mitentina 10 tapitrisa ariary monja no sazy azon'ny mpitam-bolan'ny vondrombe Bohra Mamod Akbaraly ary ireo teratany karana mpiray fihaviana aminy Younous Navar houssen, Surech tamin'ilay trafikana volamena milanja 3,7 Kgs tratra teny Ivato, raha 400 tapitrisa ariary ny tombam-bidin'izany harena an-kibon'ny tany izany. Tsy volamena indray mantsy hono iny zavatra iny fa volafotsy nolokoina menamena ( ??) na dia neken'izy ireo in-droa nisesy teny amin'ny Bianco aza fa tena volamena tokoa ireto nokasaina naondrana an-tsokosoko ireto.
Mitodika any amin'ny Bianco nandray an-tanana ny fanadihadiana manodidina ity fanondranana volamena nataon'ireto teratany karana ireto ny mason'ny mpanara-baovao. Mbola sahy hiditra lalindalina kokoa ve ity sampan-draharaha mahaleotena miady amin'ny kolikoly ity sa kosa vitavita ho azy eny satria ny mpitam-bolan'ny Bohra no voatohintohina ? Efa hatrany am-boalohany mihitsy no nisy ny zavatra tsy mazava. Mbola afaka nivoaka namonjy fanasana tany Bombay (Inda) nankalaza ny fety nokarakarain'ny lehibe ara-pinoana ny Dr Syedna Mohammed Burhanuddin ihany mantsy ireto teratany karana miisa dimy avy amin'ny vondrombe Bohra ireto na dia teo aza ny fahatratrarana ambodiomby azy ireo tamin'iny fikasàna hanondrana bolongam-bolamena in-droa nisesy iny. Nandeha indray ny fitsarana ny raharaha ary dia izao nivadika ho volafotsy izao indray ireo volamena milanja 3,7 kgs.

1 commentaire:

  1. ny raharaha bois de rose koa tokony hasiana fiheverana!!!

    RépondreSupprimer