VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mercredi 11 mai 2011

Fa iza moa i Raozigasy


Nahita masoandro, i TIA : boky voalohany nosoratan’i Raozigasy. Ary ho fampahalalana izany boky izany dia nomanina ilay hetsika INDRAM-PEO



Fa iza moa i Raozigasy

Raozigasy : no solon’anarana nofinidin-dRamananjato Hajalalaina Andriamiharisoa entiny hamoahana sy hizarana ireo vetsovetsony.
Raozigasy : tambatr’ilay Raozy vonikazom-pitiavana sy ilay Gasy manamarika ny fihaviana.
Raozy : lokon’ny fitiavana ; entina mizara ny hotrakotraky ny fo raha faly, entina mampitony ny jalim-po anaty raha malahelo, voninkazon’ny embona sy ny vetsovetso. Haingon’ny fo mitempo fitia, milanja ny haban’ny sento zaraina. Miombon-taintaina, mitambatra tsiky, mizara hasambarana,
Gasy : lokon’ny fihaviana; entina mirehareha amin’ny kolotsainy manan-karena, entina iavahana amin’ny kantony tsy hita noanoa, taratry ny raitra sy ny lafatra malagasy maro karazana. Asandratra hiavaka amin’ny hafa rehetra, avoitra ho tabihan’ny firenena. Ajoro tsy ho takon’ny haitraitram-pandrosoana.
Raozigasy dia filazana ihany koa ilay raozidia miavaka sy manimba ny tontolon’ny raozy tsotra rehetra, miavaka i Raozigasy satria miezaka mampiely patrana ny kanto malagasy manerana izao tontolo izao ary manabe voho hatrany ny tenin-drazany.
Raozigasy sy ny Tononkalo Malagasy dia "lamban’akoho ka aina no fetra".
Tia indray kosa no : amboara voalohany narafitr’i Raozigasy ho fehezan-tononkalo, hizarany amin’ny mpamaky ny fiTIAvana ao anatiny


TIA no anarana nasalotra ity boky voalohany nosoratana ity. Boky mirakitra ireo kirakiram-pitia sy ireo trangam-pitiavana. Fitiavana ; ilay fihetseham-po tokana, mitondra eny an-tendron’ny fifaliana, nefa koa mandavo eny an-tongotry ny ngidim-pijaliana.

Inoana fa ireo endrim-pitia zaraina ao anatin’ny boky dia ampy hitarafana ireo karazam-pitia niainana , iainana ary hiainana. Ka sady hamerin-jery ny mpamaky no hahatsapana ihany koa ireo lanjam-pitia samihafa.

Amboara misy tononkalo 35, notsinjaraina ho sokajy 7, ary notsongaina tao anatin’ireo tononkalo 400 mahery, nosoratana sy voatahiry. Vanim-potoana samihafa no nolalovana teo am-pandrafetana ireo tononkalo ireo. Aingam-panahy sy entam-po tsy sahala no vaika nampiboika izao loharanon-tsoratra izao.

Ho fampahalalana izany boky izany dia misy hetsika nomanina nasalotra ny anarana :

INDRAM-PEO

Ilay teny Malagasy, izay nampianarina ahy,
Ilay teny tsara indrindra, tsy menatra mitaha
No hitantarako anao, ny fiainan’ny fitia

Ka ireo feo Malagasy, kanto no hindramiko
Hizarako aminao, ireo soratsora-mamiko
Koa dia asaina ianao, andeha hiara-dia

Dia hitambarantsika, ireo vetsovetsom-po
Hambarako aminao, ireo riman’olon-droa
Hokaloiko anao, ireo tondrom-peon’ny foko
Ka ilay boky “Tia” , hiavaka an-doko

Indram-peo no hetsika voalohany aseho an-tsehatra, hiantsana ireo tononkalon'i Raozigasy.

Izany dia hatao ny asabotsy faha 21 mai 2011, manomboka amin'ny 08.00 alina, ao Paris 75014.

Ny toerana dia ao amin'ny 20 rue de la Tombe Issoire.
Metro : Saint Jacques

Seho - Feo - Jiro - Zava - Kalo - Dihy - Tsako - Sotro : ireo laro sy kanto handravahana ity hetsika voalohany ity

Koa voninahitra lehibe ho an’i Raozigasy ny fanotronanareo azy amin’izao santatr’hetsika izao. Satria sady fifampizarana traik’efa no fiaraha-manandratra ny kanto Malagasy

Raozigasy

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire