VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 21 mars 2011

Fitsarana Anosy: Didim-pitsarana nofoanana tamin'ny "stylo " !

Ankoatra ny raharaha " bois de rose " izay niteraka resa-be teto amin'ny firenena nanomboka ny taona 2009,voasokajy ho isan'ireo antsoina hoe " grand dossier " dia misy ady tany mirefy 30 Ha ao Antanandrano mitondra ny " titre " 6336-B ihany koa hiandrasana ny fanapahan-kevitry ny ministry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa. Nalain'ny fanjakana frantsay nampiasainy io tany io ny 01 febroary 1954, titre foncier n°6336-B Antanandrano. Herintaona ny fe-potoana voalaza fa ilàn'ny fanjakana azy. 57 taona aty aoriana (manatombo enin-taona amin'ny nahazoana ny Fahaleovan-tena); tsy mbola tafaverina amin'ny tompony ny tany.
Ny taona 2004 no nanomboka ny tetika sy paikady rehetra hakana amin'ny tompony ity tany mirefy 30 Ha ity. Tao anatin'ny fotoana nigiazan'ny fitondrana jadon-dRavalomanana Marc izay tany rehetra nety taminy sy ny orinasa Tiko ary Magro toa ireo tany miaramila teny Ivato, Toliara, Andohatapenaka, Ankorondrano-Analavory nahafaty olona telo ny 11 aogositra 2006, Ambatomainty-Ambatondrazaka nitifiran'ny miaramilan-dRavalomanana Marc olona miisa 11, sns. Naneho ny fanjakazakany araka izany ireo olona tao amin'ny fitsarana manodidina ny filoha teo aloha.
Anisan'ny " Fanovàna " notakian'ny olom-pirenena nahatonga ireny hetsi-bahoaka tamin'ny 2009 ireny ny ady tamin'ny tsy rariny, indrindra ny olana mikasika ny fananan-tany. Tsikaritra anefa ankehitriny fa mitohy mangina izany teti-dratsy izany ka mahatonga ny fanontaniana mipetraka hoe "Fanovàna " inona no nanaovan'ny vahoaka sorona ny ainy nandritra ireny tolom-bahoaka ireny?
Nisy didy hitsivolana (ordonnance de rétrocession) mitondra ny laharana 1382 nivoaka ny 11 febroary 2005, mamerina tanteraka ny tany mirefy 30 Ha nampiasan'ny fitondrana frantsay etsy Antanandrano amin'ny tompony. Nofoanan'ny didim-pitsarana n°1084 tamin'ny 19 septambra 2005 indray anefa izany. Niakatra teny anivon'ny Fitsarana Tampony (Cour Suprême) ny raharaha, izay mbola nanamafy ny famerenana ny tany amin'ny tompony, araka ny didim-pitsarana laharana 46 tamin'ny 21 aprily 2006. Foana mazava ho azy ny didy laharana 1084 tamin'ny 19 septambra 2005.
Lasa didy manan-kery araka izany ny didim-pitsarana laharana 1382 tamin'ny 11 febroary 2005 izay mamerina ny tany amin'ny tompony. Miverina tanteraka amin'ny tompony ihany koa ny tany araka ny didy hitsivolana n° 60-146 tamin'ny 3 oktobra 1960 mikasika ny fananan-tany (régime foncier de l'immatriculation).
Tsy izany anefa no zava-nitranga rehefa nangataka ny hamoahana ny " grosse " tany amin'ny fitsarana ireo mpandova. Nolavin'ilay mpitsara indray ilay didim-pitsarana
laharana  46 tamin'ny 21 aprily 2006, mamerina ilay tany amin'ny mpandova; ary ny tena nahavariana dia sora-tanana nataon'ity mpitsara ity tamin'ny " stylo " dia ampy " nanafoana " ilay didim-pitsarana, izay ny tenany ihany no namoaka azy. Tiana ny manamarika fa efa nahazo ny antsoina hoe " extrait des minutes " avy amin'ny Fitsarana Tampony anefa ny mpandova. Dia sanatria ve tafiditry ny resaka kolikoly ao anivon'ny fitsarana indray ity ady tany ity ? Taiza no nisy didim-pitsarana nofoanana tamin'ny alalan'ny sora-tanana kanefa ny "extrait des minutes " aza efa  nivoaka ?
Teo am-pamoahana didy fandravàna indray koa anefa ny Fitsarana Tampony ny faha-6 aogositra 2010 lasa teo nisy baiko tsy hamoahana izany didy izany. Ilain'ny ministeran'ny Fitsarana maika indray mantsy hono ny antontan-taratasin'ady mikasika ity ady tany ity. Koa miantso ny mpitondra tetezamita hanaraka akaiky ity raharaha ity mba ho tena fialokalofan'ny malemy marina araka ny hevitra fototry ny fitsarana ireo mpandova.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire