VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

vendredi 4 février 2011

Mihamaro ireo manala nify


Ny manala azy ihany no fanafodiny. Vao maraina dia efa maro ireo milahatra eny amin'ireo tobim-pitsaboana nify sasany eto an-drenivohitra. Hanala nify no tena anton-dian'ny ankamaroan'izy ireny. Saika nify efa narary ela teo aloha no esorin'izy ireo amin'izany. 

Raha araka ny fanamarihana nataon'i Rakotonirina Omega, mpitsabo nify iray etsy Ampefiloha dia « nihamaro ireo olona tonga manala nify amin'izao ary ireo nify vazana efa simba avokoa ny ankamaroan'ireo nify alan'ireo olona tonga eto aminay ». 

« Ny fahantrana izay miteraka ny tsy fahampian'ireo singa ara-pahasalamana ilain'ny nify no tena mahatonga ny areti-nify mialoha loatra sy ny fahasimbany vetivety. Izany hoe mahatonga ny areti-nify ny tsy fahafahana mihinana sakafo mitondra fluor, vy ary sokay betsaka », hoy ny fanazavana nomen'i Andriamanjato Hery Harimanitra, tompon'andraikitra voalohany misahana ny fahasalaman'ny maso sy ny ati-vava ao amin'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. 

5 000 ariary izao no saran'ny fanalana nifin-dronono, 6 000 ariary kosa ny manala ny nifin'olon-dehibe na vazana izany na nify tsotra. 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire