VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mardi 8 janvier 2013

Fiainana mpanakanto – Mandà ny maha sekta ny antokom-pinoana misy azy ry Poopy


Nanamafy i Poopy fa fivavahana Hebreo no arahiny ankehitriny resabe, hatrany anaty tambajotra sosialy any anaty tranonkala ny fiovam-pinoan’i Poopy, ilay mpanakanto malaza fantatra tamin’ny fiangaliana ireo hira ara-pilazantsara nitiavan’ireo mpankafy azy.
Raha sekta amin’ny ankapobeny no nanasokajiana ireo fiangonana maro isan-karazany ivelan’ireo fiangonan-dehibe nisy hatrizay teto Madagasikara, dia mandà ry Poopy fa tsy ao anatin’izany ny ny fiangonana misy azy ankehitriny (Ndlr: Vakio Ao Raha laharana 2205).
Ny teny ao anaty Baiboly hatrany no nentiny nanamarinana izany. “Tany an’efitra no teraka ny fivavahana hebreo ary tao amin’ny tanin’Israely koa no teraka ny fivavahana Notsri izay notarihin’I Ieshua Hamashiah (na Jesoa Kristy). Nony maty daholo ny Apostoly rehetra tamin’ny taona 105 dia niova tanana io fivavahan’ny zanak’Israely io ka lasan’ny Grika. Kristianisma no anarany. Teo no nanomboka ny tena sekta”, hoy i Poopy.
“Sekta ny Katolika…
Tsy nisalasala ity mpanakanto ity nilaza fa “ny finoana katolika niforona tamin’ny 7 marsa 321, ny ôrtôdôksa niforona tamin’ny 1054, ny loteranina tamin’ny 31 oktobra 1534, ny anglikanina tamin’ny 1534, ny kalvinisma (protestantisma) tamin’ny 1536 izay teraka tao Eoropa no tena sekta, fa tsy izahay izay miverina amin’ny Andriamanitry ny razanay. Izahay no tompony”, hoy izy naneho ny heviny. Mbola nohamafisiny tao anatin’izany, araka ny fampianarana nampitaina taminy amin’izao finoana vaovao arahiny izao , fa “Hebreo ny Malagasy”.
Nanindrom-paingotra ireo fiangonan-dehibe eto Madagasikara i Poopy raha nilaza fa “misy antony matoa gisitra eo amin’ny sehatra ara-toekarena i Madagasikara, kanefa ny fiangonana sasany mahavita manao fidirana indroa na intelo… Ireo karazana teratany vahiny no mifehy ny firenena. Manitikitika ny saina ny mahakasika ireo fiangonana voatondro fa manodinkodim-bola, ireo mpitondra fivavahana manolan-jaza…”, hoy izy.
Tiana ho marihina fa ny teny hoe « secte » na sekta, amin’ny teny fanagasiana azy dia voalaza fa avy amin’ny teny latina hoe « secta » izay midika hoe “lalana arahina”. Mety ho antoko io arahina io, mety ho foto-kevitra ara-pilôzôfika, mety ho finoana ihany koa.
Hanitry Ny Aina
 http://www.aoraha.com/fiainana-mpanakanto-manda-ny-maha-sekta-ny-antokom-pinoana-misy-azy-ry-poopy/

2 commentaires:

  1. azon'ny devoly enao ry poopy a! zay ihany no azo lazaina fa ra ny firesakao dia tsy azo ahintsy intsony!! Mahita izay mahasoa ao @io "fivavahanao" io dia aleo any aoriana any isika mifanena oe iza tokoa no tena sekta!

    RépondreSupprimer
  2. je suis tout à fait d'akor, ary firy taona niainana teto an-tany sy nahafantarana an'Atra mou i poopy no izao iz vao tonga saina ny amin'izany, fa matoa ianao miova tampoko aty aorina dia mis tombotsoanao ao anle fengonana secta mis anao

    RépondreSupprimer