VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mardi 8 janvier 2013

Faritra Anôsy. 113.435,56kg ny vokatra jono nandritra ny taona 2012 any Faradofay

Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin’ny talen’ny sampandraharaha misahana ny jono sy ny harena anaty ranomasina any amin’iny faritra Anôsy iny no nahafantarana fa mahatratra eo 113 435,56 Kg (113,435 Tonnes) eo ny vokatra langoustes tamin’ity taom-panjonoana 2012 ity. 
Mpanjono iray miaraka amin'ny oratsimba azony
Mpanjono iray miaraka amin'ny oratsimba azony
© http://valeriefortdauphin.files.wordpress.com
Mpandraharaha 06 samy efa matihanina avokoa no mitrandraka ny vokatra ary mahafeno ny fepetra avokoa na eo aza ny tsy fanarahan-dalàna madinidinika, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. 

Amin’ny ankapobeny voahaja ireo fepetra napetraky ny ministera mpiahy tamin’iny taona iny. Raha amapahatsiahivina araka ny lalàna manan-kery amin’izao fotoana, mifehy ny Jono langouste na oratsimba dia ny 1er Janoary ka hatramin’ny 30 Septembra no fotoana azo itrandrahana ny oratsimba, mikatona kosa ny jono ny1er Oktobra hatramin’ny 31desambra. 

Zany hoe manomboka amin’io volana Janoary mitsidika io dia haresaka ny morondranomasina. Akoatra izay tsy azo atao ny maka ireny oratsimba na langoustes mitondra atodiny, sy ireo langouste latsaky ny 20cm. Mba ahafahana mampitombo ny vokatra tsy ho lany tamingana no anton’izany. 

Amin’ny ankapobeny hoy ity talem-paritra ity dia anisan’ny mampidi-bola hoan’ny faritra sy ny fitondrana Malagasy ity vokatra iray ity. Na eo aza anefa ny ezaka ataon’ny tsirairay dia Mbola misedra olana ireo mpiasa sy ireo mpandraharaha ao amin’ity sampana iray any Anôsy. Midadasika ny faritra iasana satria mahatratra eo amin’ny 194km eo ny halavan’ny morontsiraka na morondranomasina. Ny fitaovana eo am-pelantanana tsy ampy mba tsy hilazana hoe tsy misy satria dia motos roa ihany no itambaran’ireo mpiasa ireo. Ny lalana sady kizo no ratsy. Hetahetan’ ny mpandraharaha ny hanana fitaovana mifandraika amin’ny asa atao, mba ahafahana manome vokatra tsara kokoa. Ireo mpanjono osa no jerena iza haha-matihanina azy ireo ary nambaran’ity talem-paritra ity fa tsara raha mba misy ny atrik’asa lehibe hifampidinihana mahakasika ity jono langoustes ity any Faradofay. Tamin’ny resa-dresaka ihany no nanomezana ny fivoaran’ny jono langouste tany amin’ny faritra Anôsy, nanomboka ny taona 2002 ka hatramin’ity taona 2012 ity. 
Ny vokatry ny fanjonoana oratsimba tany amin'ny faritra Anosy nanomboka ny taona 2002
Ny vokatry ny fanjonoana oratsimba tany amin'ny faritra Anosy nanomboka ny taona 2002
© -
Mahakasika ireo orin’sa araka ny loharanom-baovao azo tamin’ny tomponanadaraikaitra, enina izy ireo zay samy manana ny maha izy azy avy: 
-Martin Pécheur: 46.806,486kg ; 
-Madapêche:41.446,95kg ; 
-Mme Myriam :1764,00kg ; 
-SoiexT/CVM :5736,35kg ; 
-MSP:6609kg; 
ary EMI:836kg 

Ny sisa kosa na autres circuits:10236,31kg. Ireo no Mitotaly: 113435,56kg na 113,435tonnes ny vokatra ny taom-panjonoana 2012. 

Mahakasika ny vola miditra kosa indray nomarihiny fa ny fitondrana foibe no mikirakira azy io. Amin’ny ankapobeny ,anisan’ny faritra manana ny maha izy azy iny faritra Anôsy iny eo amin’ny resaka toe-karena raha voatrandraka ara-dalàna ireo harena maro samihafa any an-toerana hoy ireo mpandraharaha ara-toekarena. Nomarihin’ny talem-paritry ny sampandraharaha misahana ny jono sy ny harena an-dranomasina any Anôsy, Atoa Razafimandimby fa na eo aza ireo olana ,tsy mahasakana ireo ekipa tsy hanao ny asany amin’ny tokony ho izy izany. 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire