VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mardi 8 janvier 2013

Fampanantenan’ny Filoha Rajoelina

Raha ny mahakasika ireo mpandraharaha manokana dia nanolotra tondrozotra ifampifehezana amin’ny fitondrana izy ireo nandritra io fihaonana fifampiarahabana tamin’ny janoary 2012 io. 
Nisy ny fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina tamin’ireo mpandraharaha eto Madagasikara nandritra ny fifampiarahabana nifanaovany tamin’ izy ireo teny Iavoloha ny janoary 2012. Nilaza ny mpandraharaha sasany nanontaniana fa mbola tsy nisy anefa ny fanatanterahana izany hatramin’izao, herintaona aty aorian’ilay fihaonana io. Raha tsiahivina dia anisan’ireo nihaona tamin’ny Filohan’ny tetezamita ihany koa ny mpanakanto, ary ny mpanao fanatanjahantena nandritra io fifampiarahabana noho ny fetin’ny Asaramanitra io. Efa saika nahazo ny anjarany daholo na ny mpanakanto, na ny mpanao fanatanjahantena. Tsangambaton’izany rahateo ireo fotodrafitrasa notokanana teny Antsonjombe sy ny kianja Makis manamorona ny arabe « digue » akaikin’Andohatapenaka raha tsy hilaza afa tsy ireo. Raha ny mahakasika ireo mpandraharaha manokana dia nanolotra tondrozotra ifampifehezana amin’ny fitondrana izy ireo nandritra io fihaonana fifampiarahabana tamin’ny janoary 2012 io. Mizara izy io ka misy ny antomotra ezaka, ary misy ny antonony sy lavitr’ezaka. Voalohany, ao anatin’ny fotoana fohy dia haloa ny vary mangatsiaka trosan’ny fanjakana amin’ny mpandrahara. Hojerena ny famahana ny olan’ny delestazy. Hisy ny fiaraha-midinika eo amin’ny mpandraharaha sy ny fitondrana. Hojerena ny momba ireo mpandraharaha mpitsinjara solika ( toby fivarotan-dasantsy). Hojerena ihany koa ny fiantohana ny fiarovana sy ny fandriampahaleman’ireo mpanao fitaterana, eo amin’ny aina sy ny fananana. Harovana ny indostria malagasy manoloana ny fitobahan’ireo entana vahiny. Faharoa, eo amin’ny ezaka antonony dia hirosoana ny fampiharana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Farany, eo amin’ny lavitr’ezaka dia hapetraka ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. 
Fa anisan’ny zavatra nandrandrain’ireo mpandraharaha rava fananana tamin’ny 29 janoary 2009 ihany koa ny fanomezan’ny fanjakana fanampiana ho azy ireo. Fa na ho an’ireo niharamboina ireo na ho an’ny mpandraharaha amin’ny ankapobeny dia anisan’ny nandrandrain’izy ireo fatratra izay mba ho fitsinjovan’ny fanjakana manokana azy ireo teo amin’ny lafiny hetra sy haba, izany hoe fanalefahana ny haba sy ny hetra aloany. Milaza ireo mpandraharaha fa tsy tena mbola nisy ny fanatanterahana an’io. 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire