VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

jeudi 10 janvier 2013

Kardinaly sy ny Villa 450 tapitrisa : « Manala baraka ny katôlika ny kardinaly Gaetan »


« kristianina tsy mandà fanomezana ! hano fa adala tompo ! ». Maro angamba ny mahatsiahy an’io fitenin’i Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra io, fony izy nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tamin’ny taona 2001 raha nanolotra an’ireo masontsivana folo ifantenana izay mendrika ho Filohampirenena ny FFKM.
Io fehezan-teny io tokoa mantsy no nentiny namaly ny mpanao gazety izay nanontany azy ireo manodidina indrindra ny fampiasana sy fanomezana vola ny mpifidy mba hanjonoana ny safidiny.
Nandritra ny fotoana nahalehiben’ny finona Katolika Romana eto Madagasikara azy tokoa mantsy dia tsy nisalasala izy nijoro ho mpomba ny fitondrana sy niara-niasa akaiky tamin’ny Filohan’ny Repoblika. Singanina tamin’ireny ohatra ny fiarahan’izy ireo nitokana ny fiangonana katolika tamin’iny faritra Andramasina iny, ka ny Filohampirenena no namatsy vola azy.
Torak’izany koa ny nampitaovana an’ireo solontenan’ny tanora katolika Malagasy tamin’ny JMJ natao tany ivelany.
Rehefa nandeha nisotro ronono Ingahy Kardinaly noho ny fe-taona, dian nanamboaran’ny fitondram-panjakana trano mitentina 450 tapitrisa fmg izy mba hiadanany any Besalampy, ka na ireo samy mpisorona aza mba taitra ihany satria tsy fahita loatra ny toy izany.
Niarahan’ny rehetra naheno rahateo moa farany teo, fa tsy nisalasala izy nanohana ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana raha toa ka nandroaka an’i Mompera Urfer izy ireo.
Miova Andriana tokoa, miova sata. Notendren’i Vatican ho arsevekan’Antananarivo handimby ny Kardinaly ny Monsenera Odon Arsène Razanakolona. Nandefa helikaoptera manokana haka azy tany amin’ny diosezin’Ambanja moa ny Filoha Ravalomanana, araka ny loharanom-baovao, saingy dia naveriny izany fiaramanidina izany fa naleony nandeha sambo, sy fiaramanidina hihazo ny renivohitr’i Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao ihany koa dia tsy niombon-kevitra ny Katolika tamin’ny nanoloran’ny Filohampirenena vola 100 tapitrisa ny tanora nandritra ny JMJ nataon’izy ireo tany Toamasina, ka nisy aza ny nagataka tamin’ny eveka mba tsy andraisana an’izany vola izany.
Niezaka hametraka ny katolika amin’ny toerany moa ity Arsevekan’Antananarivo ity, ka te hipetraka ho tsy mpomba ny mpanohitra na mpomba ny mpitondra izy fa te hijoro arak’izay nanirahan’ny evanjely azy marina, araka ny fanambaran’izy ireo ombieny ombieny.
Matetika toa manindrona ny fitondrana ny fanambaran’izy ireo. Mahatsiaro tena ho voadona ny mpitondra, ny mpanohitra rahateo mipikelika ka soketaina ho lasa mpanohitra fitondrana izy ireo.
Indraindray kosa mba mahazo sitraka ny fitondrana noho ny asa nataony, ka heverin’ny mpanohitra ho toy ny tsindro-paingotra ho azy indray ireny. Dia toy izany hatrany no niainan’ny Katolika.
Saingy ny raharaha Urfer teo no nampipoaka ny vanja, indrindra ny fomba nitondrana azy toy ny jiolahy teny amin’ny seranam-piaramanidina, izay tsy nahazoana akory nitafa taminy na dia fantatry ny mpitondra aza fa tonga teny an-toerana ireo delegasiona mafonja tompon’ny fahefana avy amin’ny finoana Katolika eto Madagasikara, izay notarihan’ny Arseveka Odon Razanakolona. Namoaka fanambarana nanameloka an’ity raharaha ity moa ny fiombonamben’ny Eveka taorian’izany, kanefa ny mifanohitra tamin’izany no nataon’ingahy Kardinaly.
“Enta-mavesatra ho anay ihany ny Raiamandrany Kardinaly. Manaja azy aho amin’izay toerana misy azy izay, kanefa toy ny manofy ihany raha mahita mpitondra katolika ka tsy hiombon-kevitra amin’ny fanapahan’ny fiombonamben’ny eveka, izay faratampony amin’ny fitondrana ny EKAR eto Madagasikara.
Mivavaka ho azy isika.  » Izay angamba no fantany fa mety ka tsy hifanomezan-tsiny ?  » hoy ny pretra iray sendra tafaresaka taorian’ny fanamasinana ny nandraisan’ireo zaza ny Sakramenta Masina voalohany tamin’ny fetin’ny Pentekoty teo.
Raha ireo fifanoheran-javatra rehetra ireo no dinihana, dia tsapa ho manala baraka ny Finoana katolika ihany ingahy Kardinaly, ary toa manamarina ny fiheveran’ny fanjakana ny katolika ho mpanohitra aza ny endriky ny fanehoan-keviny imasom-bahoaka. Raha manameloka ny fomba nandroahana an’I Mopera Urfer ohatra ny fiombonamben’ny Eveka, izy kosa dia toa momba an’izany ary nandetika aza nataony. Raha nagataka fanampiana tamin’ny Filohampirenena hatrany ohatra ingahy Kardinaly, ny tato aoriana kosa ny namerina ny vola aza no nokatsahiny.
Izany hoe raha nisisika mafy hifamatotra amin’ny Filohampirenena ny kardinaly, ny tato aoriana kosa te hametraka lamina sy famaritana mazava amin’izay endriky ny fiarahamiasa marina iarahana amin’ny fanjakana izay, kanefa tondroina ho mpanohitra fanjakana noho izay foto-kevi-dehibe ijoroany izay. Ka tantara mbola hitohy ity fihenjanan’ny tady eo amin’ny katolika sy ny fitondram-panjakana ity ka nandrasana ny ho tohiny.
Source : RR, Gazety MALAZA N°327

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire