VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mardi 16 octobre 2012

"Opération Tandroka": Omby 270 nampidirina "fourrière "




Mitohy ny ezaka ataon'ireo mpitandro ny filaminana, manao ny "Opération Tandroka " any Betroka, izay tarihan'i jeneraly Lama Radafy.
Ny sabotsy lasa teo dia omby miisa 270 no nampidirina " fourrière " ao amin'ny kaominina Betroka rehefa hita fa nampiahiahy nandritra ny fisavana natao, araka ny " réquisition " n° 255.CIE/2 ny 12 oktobra 2012. Misy ny olona efa atao famotorana any an-toerana mikasika ireo omby tsy mazava ireo.
Ny alin'ny 11 oktobra la teo dia nisehoana halatr'omby tao amin'ny fokontany Befamata, kaominina ambanivohitr'Ambatomivary ao anatin' ny distrikan'ny Betroka. Omby miisa 30 no norobain'ny dahalo mirongo fitaovam-piadiana. Nanara-dia avy hatrany ireo mpitandro filaminana niaraka tamin'ny fokonolona. Vao nahita ireto mpanenjika anefa ireo dahalo dia lasa nitsoaka ka navelan'izy ireo teo ny omby ary efa tafaverina amin'ny tompony. 
Manomboka matahotra ny mifanehitra amin'ireo mpitandro filaminana ankehitriny ireo jiolahy mpangalatra omby. Ireo mponina any an-toerana rahateo vonona ny hifanampy mandrakariva amin'ny mpitandro filaminana satria faly izy ireo amin'izao hetsika goavana izao hiarovana ny fananan'izy ireo.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire