VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

vendredi 30 mars 2012

Omeo ny toerany !

Toy ny isan-taona dia notsiahivina omaly indray ny tolom-panafahana nataon'ireo tia tanindrazana, ny faha-29 martsa 1947. Toy ny isan-taona ihany koa dia "lanonam-be" no niseho nanerana ny Nosy. Ny nanaitra anefa, tamin'ity indray nitoraka ity dia ny fanehoan-kevitry ny bekotro maro holatra tany Mananjary, izay niseho tao amin'ny fahitalavi-panjakana. Nilaza io raiamandreny io fa dia vola kely dia kely no raisin-dry zareo isan-telovolana, ary tsy marim-potoana ihany koa ny fandraisana azy izany fa "voadingana" mihitsy aza indraindray. Naneho ny alahelony io mpitolona tranainy io, ary nampitaha ny momba azy ireo sy ireo nitondra takaitra tamin'ny faha-7 febroary teny Ambohitsorohitra. Ireto farany tokoa mantsy dia mandray "fanampiana" isam-bolana.
Tsy hivalamparana ny momba izay tonom-bola fa ny tsy maintsy holazaina kosa dia ny hoe tokony mba hasiana fiheverana ny momba ireo nanao vy very ny ainy ho an'ny firenena ireo. tsy nisy ny fahaleovan-tena raha tsy nitolona izy ireo, kanefa dia toa mitady ho hadino izany ankehitriny. Tsy misy antony mihitsy ny hanaovana "lanonana" isaka ny faha-29 martsa raha toa ka tsy homena hasiny ny nitolona tamin'izany. Misy aza ny milaza fa fandatsana an'ireo mpitolona ireo ny vola kely omena azy isan-telovolana. Nahoana tokoa moa no omena an'hetsiny isam-bolana ny teny Ambohitsorohitra, kanefa toa antsasak'izany monja no raisin'ny nitolona tamin'ny 1947 isan-telovolana ê?... Mipetraka ny fanontaniana, satria fantatra fa efa vitsy kely sisa ireo akanga sisa nanamborana tamin'iny raharaha iny, koa ho vesatra ho an'ny toe-bola    m-panjakana ve ny hampitombo avo efatra na dimy heny ny vola omeny azy ireo?...
Tokony homena ny toerana sahaza azy ny zokiolona eto amintsika. Nahavita be ho an'ny firenena izy ireo ka tokony handray ny valin'izany. Ny zokiolona rehetra, fa indrindra ireo nanao sorona ny ainy mba hiadanantsika ankehitriny izao. Samy maniry ny ho ela velona ny rehetra, ary samy nampianarina an'izany hoe valim-babena izany koa nahoana àry no tsy omen-kaja sy voninahitra ireo nahitantsika ny fiainana ireo ê?... "Mahaiza misaotra sy mankasitraka", hoy izay hira izay…

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire