VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 5 septembre 2011

Norbert Razafimbelo : mampitahotra ny fitondrana !


Ho feno tapa-bolana amin'ity herinandro ity ny nitànana " garde à vue" ny filohan'ny antoko Favoria, Norbert Razafimbelo etsy amin'ny "brigade criminelle " Anosy. Tsy sanatria fanaovana tsinontsinona fa tsy olona tahaka azy mihitsy no hahavita hanongam-panjakana; raha tsy hoe angaha fitondrana efa mitsingevana fotsiny sisa ity tetezamita ity. Taiza no nisy olona hanongam-panjakana hiantso vondrona sy antoko politika hiady hevitra ary hanao valan-dresaka an-gazety mialohan'ny fotoana hanaovany izany ? Ny jeneraly Fidy no nanao izany teto ; iny mbola nohamafisiny tao amin'ny "Invité du Zoma " iny anefa hoe "tsongo sofina ho an-dRavalomanana Marc fotsiny ihany no nataony ".
Noho ny fisian'izany lisitra lavabe misy anaran'olona mihoatra 20.000 izany mantsy no mahatonga izao fitaintainan'ny mpitondra izao. Raha ny vaovao azo anefa dia vahoaka eny ambany tanàna nokarakaraina karapanondro ny ankamaroan'izy ireo. Mazava ho azy fa hanaraka izay toromariky ny Favoria amin'izay antoko homeny ny vatony mandritra ny fifidianana ho avy ireo olona 20.000 ireo. Ndrao dia izay kosa àry no mampihoron-koditra ny mpitondra ! Hanao fifampiraharahana amin'ny antokon'ny fitondrana àry ve izany ny filohan'ny Favoria, amin'ireto olona mpanara-dia azy ireto? Tsy misy afatsy izay raha ny fahitàna azy no lalana hivoahany amin'izao raharaha izao.
 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire