VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

jeudi 11 novembre 2010

Gadra enina tafatsoaka ny fonja

Omaly tamin’ny dimy ora maraina no voasambotra ny gadra fahenina farany tamin’ireo nitsoaka ny fonjan’i Tolagnaro afak’omaly tamin’ny telo ora tolakandro.

 Teo ihany mantsy dia natao ny fanenjehana niaraka tamin’ireo fokonolona teo amin’ny manodidina, ka ny efa-dahy voasambotr’ireo fokonolona. Naratra mafy izy ireo, la nalefa hotsaboina eny amin’ny hopitaly. Ny iray tra-tehaky ny mpiambina orinasa iray teo an-toerana ka natolony ny polisy. Ny fahenina voasambotry ny mpiandry fonja ihany. Efa nisy tany amin’ny sivy kilaometatra miala an’i Fort-Dauphin no nisamborana ny iray tamin’izy ireo, omaly tamin’ny dimy ora maraina.
« Nobedain’izy ireo tampoka ireo mpiambina niandry ny varavaram-ben’ny fonja io afak’omaly tolakandro io. Velona teo ny fifampitolomana, saingy sendra ny be noho ny vitsy ireto mpiambina. Nopoirin’ireo voafonja ny hidim-baravarana dia lasa izy ireo nitsoaka », hoy ny fanampim-panazavana avy amin’ny tale misahana ny fiambenana eo anivon’ny fiadidiana ny fonja, ny Inspecteur en chef de l’Administration Pénitentiaire Rakotomanga Rakotonirina.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire