VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

jeudi 11 novembre 2010

Nidoboka i Fetison, Zafilahy ary ny Pasitera Edouard

 Image
Amin’ny faha 23 novambra ho avy izao no hotontosaina ny fotoam-pitsarana mahakasika ity raharaha ity.Taorian’ireny zava-nitranga teny Antanimena ireny dia nalefa nigadra vonjimaka eny Antanimora Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, ny pasitera Edouard ary ny solombavambahoaka teo aloha, Zafilahy Stanislas. Izany no fanampahan-kevitra noraisin’ny Fampanoavana mikasika ity raharaha ity omaly hariva. Marihina fa saika mpitarika sy mpanentana avy ao amin’ny « Zanak’i Dada » ireto nalefa eny am-ponja ireto. Raha ny zava-nitranga omaly dia tonga namaly ny antso nataon’ny zandary azy ireo teny Betongolo Atoa Fetison Andrianirina, Lalatiana Ravololomanana, Emmanuel Rakotovahiny, Zafilahy Stanislas ary ny Pasteur Edouard. Tamin’ny 12 ora antoandro izy ireo no nanomboka ny fanadihadiana. Raha tafaresaka  tamin’ny mpanao gazety Rtoa Lalatiana Ravolomanana dia nilaza fa « tomponandraikitra amin’ny hetsika ara-politika izay nataonay izahay fa tsy miantoka kosa sy resaka savorovoro sy korontana ».
Tomefy vahoaka
Taorian’izay dia tapaka fa hatolotra ny Fampanoavana avy hatrany izy ireo. Rehefa tonga teny Anosy anefa dia tsy nandray azy ireo ny lehiben’ny Fampanoavana ka dia nentina nihazo ny tobin’ny zandary teny Ankadilalana indray. Nandritra izany rehetra izany, efa tomefy vahoaka avy ao amin’ny Ankolafy Telo ny manodidina ny fitsarana Anosy.
Sahabo ho tokony tamin’ny enina ora hariva, dia fantatra fa navotsotra ka nalefa nody Ramatoa Lalatiana Ravololomanana sy Atoa Emmanuel Rakotovahiny. Nentina niverina teny amin’ny Fampanoavana Anosy kosa Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina , Pasitera Edouard ary ny solombavambahoaka teo aloha Zafilahy Stanislas, ka taorian’izany no nandefasana ireto farany eny Antanimora.  Ny faha 23 novambra ho avy izao no voalaza fa hanatontosana ny fitsarana ity raharaha ity.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire