VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

dimanche 21 novembre 2010

Atoa Fetison sy ireo namany Tazonina any amin’ny toerana tsy fantatra

 Image
Ny talata ho avy izao no voatondro hanatanterahana ny fotoam-pitsarana azy telo mirahalahy mianaka ireto etsy Anosy.
“ Tsy fantatray marina izay toerana tena itazonana an’ Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny pasitera Edouard hatramin’izao satria tsy nahazo taratasy mikasika ireto olona arovanay ireto izahay” izany  no nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa mpisolovava ireto olona ireto, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo tetsy Bel’Air. Nolazainy tamin’izany, fa maro ny zavatra tsy manaraka lalàna mikasika ity raharaha ity. Isan’ny zavatra lehibe indrindra amin’izany ny fanitsakitsahana ny zo fiarovana. Araka ny fanazavany dia manana andraikitra lehibe amin’ny olona arovany ny mpiaro ary tokony ahafantratra ny antsipirihiny rehetra mikasika ny antota-taratasin’ady. Tsy nisy anefa izany hoy izy fa natao tompotrano mionona fotsiny izahay.
 Hotsaraina rahampitso talata 
Raha tsahivina dia ny alakamisy faha 11 novambra teo izy ireo no nampidirina teny Antanimora. Ny alin’io ihany anefa dia nafindra tany amin’ny fonjan’Ambatolompy indray izy telo mirahalahy. Tsy nijanona teo fa mbola nentina tany amin’ny fonja ny Fianarantsoa indray avy eo. Araka vaovao farany nambaran’ity mpisolovava ity, dia efa tsy any  Fianarantsoa intsony ireto olona arovany ireto fa efa nalain’ny fiara tao ary tsy fantantra izay misy azy. Tsara ny manamarika fa ny talata izao no voatondro hitsarana ity rahahara ity eto Antananarivo. “ Aok’ izay ny filalaovana ain’olona tahaka izao ary ampiharo ny mangarahara ho an’ny rehetra” hoy Me Hanitra Razafimanantsoa namarana ny teniny.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire