VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mercredi 1 septembre 2010

Diniho kely ity: Tabataba amin’ny tsy antony

Tsy ny teto amintsika ihany fa ny hatrany ivelany tany koa dia nanao resa-be momba ny nanamelohan’ny fitsarana ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny, vokatra ny raharaha 7 febroary. Henjana tokoa ilay sazy, koa dia samy nanana ny nolazainy avy, na ny “mankasitraka” azy, na ny tsy faly aminy. Raharaham-pitsarana anefa moa izy iny ka manahirana ihany ny “mitsara” ny maha mety na tsia azy. Na izany aza anefa dia misy ihany ny fanamarihana tiana hatao, dia ny amin’ny mety na tsia hiharan’iny sazy iny. Ny fanontaniana dia ny hoe hisy lanjany amin’ny any ivelany, indrindra amin’ireo firenena afrikanina, ve iny didim-pitsarana Malagasy iny? Aoka hazava fa tsy ny Fitsarana Malagasy velively no ambara ho tsy misy lanjany fa ny alehan’ny saina dia ny fomban’ireo Afrikanina ireo. Fantatry ny rehetra mazava tsara, ohatra, fa Tribonaly iraisam-pirenena mihitsy no namoaka didy fampisamborana ny filohan’i Soudan, ingahy Omar El Béchir, noho ny fandripahana ain’olona maro nataony tany Darfour, kanefa dia ny Firaisambe afrikanina mihitsy no mitsipaka an’izany. Tsy vitan’ny hoe mbola “nekena” ny naha voafidy azy indray fa dia mbola afaka mitsidika firenen-kafa ihany koa io Rangahy io. Tsy vao ela akory fa tamin’iny herinandro iny ny tenany no voaasa tany Kenya. Koa mety ho aiza ho aiza amin’ny lanjan’izany didy navoakan’ny Tribonaly iraisam-pirenena izany àry ny havoakan’ny Fitsarana Malagasy ê?...

Tsy vao voalohany koa no nisian’ny hoe filoham-pirenena Malagasy voaheloka, monina any ivelany… fa mbola tsy nisy ny hoe iny fa naverin’ilay firenena nialokalofany taty Madagasikara mba hanefa ny saziny.

Araka izany àry no ilazana ny hoe toa tabataba amin’ny tsy antony no ataon’ny “mpamakafaka” an’iny didim-pitsarana iny. Raha ny fiheverana mantsy dia tsy haverin’i Afrika Atsimo eto Magadasikara mihitsy ny filoha teo aloha Ravalomanana, indrindra rahateo moa fa efa lasa mpampiasa vola matanjaka any amin-dry zareo ingahirainy. Tsy voatery ho ny nolazaina teto anefa no marina, kanefa aoka isika mpitabataba no handinika sao ho rera-poana amin’ny tsy misy dikany ê.

Alain R.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire