VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 25 mars 2013

Ny Rado Rafalimanana : «Tsy kandidàn’iza na iza aho»




«Tsy kandidà n’iza na iza aho fa manampy ny malagasy marefo mpiray tanindrazana amiko»

«Resy ny fireneko ka manampy ny malagasy marefo sy traboina mpiray tanindrazana amiko aho ary tsy misy tambiny izany fa asa fanasoavana sy vonjy rano vaky amin’ ny maha olona noho ny voina aty atsimo. Tsy fifaninanana ihany koa fa tolo-tanana sy fanavotam-pirenena», hoy Ny Rado Rafalimanana, filoha mpanorina ny fikambanana mpanao asa soa sy sosialy Axius Humanity, tany Toliara. Ny ankoatr’izay, hoy ity mpandraharaha tanora ity dia tsy misy, na tambiny io, na toerana, na voninahitra. Nambarany nahitsy sy nazava fa «tsy marina ary tsy mitombina velively ny filazan’ny sasany an-gazety sy amin’ny haino aman-jery samihafa fa kandidàn-dRajoelina aho, na kandidàn’ny FAT amin’ny fifdianana filoham-pirenena ho avy io. Fanasoketana sy fanosoram-potaka fotsiny ireny amiko. Tsy voatery manao politika vao afaka manasoa ny firenena». Tsy nankasarotra ingahy Ny Rado Rafalimanana tany Sakaraha raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety marobe «valala misy, mpilaza mahay, fa aoka ny tantara sy ny vahoaka ary Andriamanitra no hitsara».

Mpanao gazety sy mpanao Mozika nanefa ny adidiny
Anisan’ny distrika voa mafy sy nitondra takaitra ary tsy mbola tafarina hatramin’izao taorian’ny fandalovany Haruna tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana i Sakaraha, na dia teo aza ny fampanantenana samihafa amin’ ny asam-panarenana manara-penitra toy ny mahazatra nataon’ny filohan’ny tetezamita. Etsy andanin’izany nanao tohivakana ny fanampiana ireo traboina, indrindra ny tao Toliara. Ny asabotsy teo, nitondra ny anjara birikiny ny sendikan’ny mpanao mozika Malagasy, notarihany sekretera jeneraliny Njakatiana. Distrika enina no nizarana mivantana ny fanampiana voaangona. Nanefa ny adidiny ihany koa omaly ny Mpanao gazety.

Fanomezan’i Axius, faly sy afa-po ireo vahoaka traboina
Ny alahady teo no nosantarina tany amin’ny distrikan’i Sakaraha ny fizarana ireo fanomezana 100t avy tamin’ ny mpanjakan’i Dubai. Faly ny isam-pianakavina nahazo lamba vaovao fa tsy “friperie” toy ny nahazatra hatramin’izay, bodofotsy natokana ho an’ny tany mafana, vary 18 kg isan’olona niampy sakafo sy entana maro samihafa ary trano lay. Tsy nampoizin’ny vahoaka ny hetsika nanoina ny fo nataon’ny fikambanana mpanao asa soa sy sosialy Axius Humanity niara-niasa tamin’ny Croix-Rouge Malagasy teo amin’ny fizarana, ka nisaoran’ireo traboina marefo manokana an’Ny Rado Rafalimanana noho ny fandavantenany niahy ny mpiray tanindrazana aminy amin’izao fotoan-tsarotra izao.
Nitohy tany Toliara ny fizarana ny alatsinainy ary nalefa sambo ny anjaran’ny distrikan’i Morombe. Ny fanahy tokoa no maha olona, araka ny filamatry ny Axius. Ny indro kely hoy ny mpandrafitra dia nampitaraina ny vahoaka ny fomba fifantanan’ny Croix-Rouge Malagasy ireo tena traboina. « Manomboka izao dia arenina ny lesoka, indrindra ny eo amin’ ny lafiny serasera tsy nanara-penitra », hoy ny filohan’ny CRM nitafa tamin’ny mpanao gazety ny alahady maraina teo tao amin’ny «Hôtel Le Palétuvier».


http://www.newsmada.com/index.php/politiques/11657-ny-rado-rafalimanana-ltsy-kandidaniza-na-iza-ahor

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire