"Fifampizarana", "Fifanampiana", "Fifampitsimbinana".
Ireo no lohahevitra nibaiko ny Antoko Tgv eto Antananarivo, izay niarahan'Analamanga sy Itasy ary Bongolava sy Vakinankaratra nifamotoana tamin'ny ankizy madinika sy ny zokiolona ka niara-nifaly tamin'izy ireo noho izao ankatoky ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao. Zokiolona 5 000 no nisitraka ny fiaraha-mifaly ka ny 3 000 tamin'ireo dia niara-nisakafo ary ny 2 000 kosa dia nizarana sakafo.
Ankizy madinika 5 000 koa no nozarana kilalao sy vatomamy ary biskoi. Natomboka omaly zoma ary tsy hitsahatra raha tsy amin'ny faha-29 desambra izany hetsika izany.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire