VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mercredi 15 février 2012

Fiarahamonina Renibe 98 taona mbola manjaitra

Mbola mahavita manjaitra ankanjo sy ondana Razanabony Marie Louise na dia efa 98 taona aza (Sary Mamy Mael)


Mbola mahavita manjaitra ankanjo sy ondana Razanabony Marie Louise na dia efa 98 taona aza (Sary Mamy Mael)
Vao nandray ny faha-98 taonany Razanabony Marie Louise monina eny Anosisoa Ambohimanarina. Mbola mahavita manjaitra ankanjo sy ondana izy amin’izany.
Mbola ma­tanjaka tsara Ra­zanabony Marie Louise, 98 taona, antsoina hoe bebe Bony. Sivy mianadahy ny zanany, 30 ny zafikeliny, 46 kosa ny zafiafiny ary roa ny zafindohaliny. Tsy araka ny mahabe taona azy ny zava-bitany. Mbola manao ny raharaha rehetra ao an-tokantrano sy zavamaro hafa izy. Isan’izany ny fikosehana sy ny fampirimana ny tranony, ny fanjairana ankanjo sy ondana, ary ny fanasana lamba. Mamonjy fotoam-bavaka tsy tapaka isaky ny alahady sy manao « pélerinage » manerana ny faritany. Feran’ireo taranany tsy hanao zavatra mety handreraka azy anefa izy.
« Fanjairana ankanjo sy ondana sisa no analako andro ao aorian’ny fampiriman-trano isa-maraina fa tsy avelan’ireo zanako manao zava-kafa intsony aho. Amin’ny tànana no hanaovako izany ary ireo zanako na zafikeliko no mampiditra ny kofehy amin’ny fanjaitra hanjairako », hoy bebe Bony. « Mbola tena matanjaka sy mahavita zavatra maro tokoa izy fa tsy avelanay manao izany intsony. Efa betsaka izay vitany izay ka aleo mba anjaranay indray ny sisa mba hamalianay babena azy », hoy Ravao­arisoa Emilienne, zanany vavy.
Vontom-pinoana
Honjohonjon'i bebe Bony samirery ny fiainany sy ireo ankohonany satria maty tanora ny vadiny. « Raha tsy nanankim-po tamin’Andriamanitra aho tsy ho toy izao izahay sy ny taranako. Maty tamin’ny 1936 ny vadiko ka fanasan-damba no namelomako ireo zanako. Vao ny lahimatoako irery no nandeha nanambady tamin’izany », hoy bebe Bony nitantara ny fiainany.
« Ny fahitany ireo taranany vory sy ny famangian’izy ireo azy no tena zavatra mahafinaritra azy indrindra. Ny faha­tsiarovana ny fahafatesan’ny zanany vaviaivo tampoka sy ny tsy fahitana popoka ilay lahiaivo kosa no tena nampalahelo azy indrindra », hoy ihany Ravao­arisoa Emilienne.
Ny tabataba sy ny fifamaliana no tena tsy zakany. Tsy mba mparary bebe Bony. « Lavorary ny fiainana rehefa mahay mitondra tena sy mifanaraka tsara ary mandefitra eo amin’ny fiaraha-monina. Ankoatr’izay, ny fanankinana ny fiainana amin’Andria­manitra », hoy ny hafatra apetrak’ity renim-pianakaviana tratra antitra ity.