VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mercredi 15 février 2012

Dst – Kaomisera Nakany charly : hofotorana ny momba ireo rongony tratra tao amin’i Tojo Ravalomanana


Dst – Kaomisera Nakany charly : hofotorana ny momba ireo rongony tratra tao amin’i Tojo Ravalomanana

Hofotorana ny momba ireo rongony tratra tao amin’i Tojo R. Nanao ny valin-kafatra momba ny tenin’ny Me Hanitra sy Tojo Ravalomanana ny Dst. «Nanao ny asanay izahay, tsy hijanona eo ny raharaha fa dia hofotorana hatramin’ny farany ny resaka rongony tratra tao amin’ny tranon’ingahy Tojo R. Mahazo mitory izy ireo…»
«Tsy hijanona fa hofotorana ny momba ireo rongony tratra tao amin’ny tranon’i Tojo Ravalomanana tany Manjakatompo Andranomanelatra ny herinandro teo. Hampanantsoina aty amin’ny Dst ilay mpiasan’Atoa Tojo R. nahatrarana ireo rongony ireo. Ity farany no nilaza fa an’ingahy Tojo R. ireo rongony ireo ary izy no mifoka miaraka amin’ny namany », hoy ny kaomisera Nakany Charly, lehiben’ny Dst, omaly tamin’ny mpanao gazety. Namaly avy hatrany ny Me Hanitra koa ny kaomisera Nakany Charly fa mandainga ity mpisolovava ity momba ny anakianany ny Dst. «Nanao ny asanay ara-dalàna izahay ary tonga tao an-toerana tamin’ny 6 ora sy 15 minitra. Tsy nanapoaka basy izahay ary tsy nanapaka jiro izany. Ny lehiben’ny fampanoavana ao Antsirabe no nanome alalana anay. Mahazo mitory izy ireo», hoy ny fanazavana. Nanazava ny Dst fa tsy anjarany no manao tatitra any amin’ny Praiminisitra satria ny prezidansa no maniraka azy ireo.
Momba ny anton-dian’ny Dst tany amin’ny tranon’i Tojo R. kosa, nanazava izy ireo fa noho ny vaovao azony manodidina ity zanaky ny Filoha teo aloha ity no votoatin’ny iraka. «Ny vaovao tonga eto aminay no manambara fa hatramin’izay nahatongavan’i Tojo Ravalomanana tany Antsirabe no nampirongatra ny asan-jiolahy any an-toerana, ny varotra rongony, ny fanolanana, ny fampiasana vola hanakorontanana, fitaovam-piadiana, sns. Mampiasa vatan-dehilahy marobe izy ary voalaza fa miantso miaramila hanao mersenera ihany koa », hoy ny Dst. Tamin’ny dian’izy ireo tany Andranomanelatra, tsy nahita porofo mifanaraka amin’izay voalaza izy ireo. Niafara tamin’ny rongony ny resaka. Tantara mitohy…

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire