VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 25 avril 2011

Vehivavy malagasy saika haondrana an-tsokosoko any Arabie Saoudite


e

 Image
Asa an-trano no saika hataon'izy ireo tany ary tsy misy fifanarahan'asa mazava. Mbola mipetraka hatramin'izao ny didy mandrara na mampihantona ny fandefasana teratany malagasy hiasa any ivelany. Omaly vao maraina tamin'ny 4 ora no tratran'ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny minisiteran'ny mponina ireo mpiasa malagasy saika
haondrana hiasa an-tsokosoko any Arabie Saoudite.  Tratra niaraka taminy koa ny orinasa nandray sy nikasa handefa azy ireo. Tamin'ny 3 ora maraina izy ireo no tokony ho niainga. Efa araky ny tao amin'ny minisiteran'ny mponina mialoha ity fikasana hiondrana an-tsokosoko ity, ka nahatonga azy niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany. Rehefa tratra izy ireo dia nalaina daholo ny pasipaorony. Voalaza fa orinasa Sri Lankey no handray azy ireo ary any Ryad, any Arabie Saoudite no saika handefasana sy hiasan'izy ireo. Talohan'izao dia efa nofanin'ilay orinasa malagasy mpitady mpiasa(Agence de Placement) mangingina nandritra ny herinandro maromaro izy ireo. Mba tsy hahafantarana azy dia nifindrindrafindra toerana hatrany.   Asa an-trano no saika hataon'izy ireo tany ary tsy misy  fifanarahan'asa mazava.
Diso fanantenana
Omaly io dia mbola nentina teny amin'ny minisiteran'ny mponina eny Ambohijatovo izy ireo. Alahelo sy fahadisoam-panantenana no hita soritra teny amin'ny endriny. Mafy tokoa izany hoe te hiasa any Andafy izany noho ny fahantrana eto an-toerana. Ny karama nifanarahana rahateo 240 dôlara na manodidina ny 480 000 ariary na koa 2 400 000 fmg. Atao hoe kely izany raha any amin'ny firenena haleha saingy betsaka ihany raha eto amintsika. Avy amin'ny faritra samihafa manerana ny Nosy izy ireo. Tao ny avy any amin'ny faritra SAVA(Andapa, Vohémar), ny avy any DIANA(Ambanja, Ambilobe), Analamanga(Anosiala  Ambohidratrimo), Fianarantsoa. Mbola miandry ny fahatongavan'ilay mpampiasa vahiny ireto vehivavy malagasy saika haondrana hiasa an-tsokosoko ireto. 



http://www.gazetiko.mg/gazetiko/




Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire