VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

vendredi 18 mars 2011

FITANANA AN’I MAMY RAKOTOARIVELO “Tsy hampisy fitoniana”, hoy ny frantsay

Niditra an-tsehatra ny fitondrana frantsay manoloana ny raharahan’ i Mamy Rakotoarivelo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, voarohirohy tamin’ny hoe “fifofoana ny ain’i Andry Rajoelina” teny amin’ny Marais Masay. “Manahirana anay ny toe-draharaha. Anisan’izany ny fombafombam-pamotorana nanomboka tamin’ny 15 marsa teo sy ny fitanana ary ny fanalavana ho 15 andro ny fihazonana ny lehiben’ny ankolafy Ravalomanana”, hoy ny teo minisiteran’ny raharaham-bahiny frantsay tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly tany Frantsa. Nohamafisin’ny fanehoan-kevitry ny fitondrana frantsay fa tsy hiteraka fitoniana eto amintsika manoloana ny fifampiraharahan’ny samy Malagasy sy ny dingana ho amin’ny famahana ny krizy eo ambany fiahian’ny Sadc izao toe-draharaha izao.
Tsy mifanalavitra amin’io fanambaran’ny fitondrana frantsay io rahateo ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny ankolafy Ravalomanana, omaly. “Tsy voahaja ny zon’ny voampanga. Mandeha ny tsindry ara-tsaina amin’ny famotorana atao amin’i Mamy Rakotoarivelo mandra-maraina. Tsy voatana ny tsiambaratelon’ny famotorana. Eo koa ny fanamelohana avy hatrany nefa tsy mbola mandalo fitsarana…”, hoy i Fetison Andrianirina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ho azy ireo, hevitra hanapotehana ny ankolafy izao. Mbola nanteriny aza fa tsy mazava ny tena asa sy ny lalàna nananganana ny sampan-draharaha miahy ny filaminan’ny lafin-tany (Dst) eo anivon’ny Fiadidiana ny tetezamita.
Ankoatra izany, mitaky ny tokony hijerena sy hikarakarana manokana an’i Mamy Rakotoarivelo ny ankolafy Ravalomanana noho izy manana mari-boninahitra ambony sy manokana.
Tsy mankato an’i Camille Vital ny frantsay ?
Tetsy andaniny, nohitrikitrihan’ny mpitondra tenin’ny fitondrana frantsay tamin’ny fanambarany fa aorian’ny fankatoavan’ny Sadc sy ny Vondrona Afrikanina ilay sori-dalana nanaovana rango-pohy vao hirosoana ny dingana manaraka amin’ny alalan’ny fananganana ny governemanta iraisana. “Pleinement représentatif”, hoy indrindra ilay fanambarana. Midika ve izany fa tsy mankato ny nanendrena ny Praiminisitra Camille Vital ny frantsay ? Tsy mbola nisy rahateo fanambarana fankatoavana avy amin’ireo masoivoho miasa sy monina eto amintsika tamin’ny nanendrena an’i Camille Vital. Efa ranolava anefa ny fanambarana fiarahabana sy fanohanana etsy sy eroa ataon’ireo mpiandany amin’izao fitondrana izao. Araka izany, tsy mazava intsony ny tiana ahatongavana manoloana izao firotorotoana hanangana governemanta izao.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire