VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 17 janvier 2011

Miaka-bidy ny hani-masaka

Tsy mampihena ny olona mandeha misakafo eny amin'ny mpivarotra hani-masaka ny fisondrotan'ny vidin'entana.imer
Tsy mampihena ny olona mandeha misakafo eny amin'ny mpivarotra hani-masaka ny fisondrotan'ny vidin'entana.
Misy fiantraikany amin'ny varotra hani-masaka ny sondro-bidin'ny vary sy ny hen'omby. Niakatra, arak'izany, ny vidin'ny sakafo masaka.
Miaka-bidy avokoa ny zava-drehetra. Nanomboka ny faran'ny herinandro teo dia nahitana fisondrotana ny vidin'ny ankamaroan'ireo vary masaka eny amin'ny mpivarotra, vokatry ny fiakaram-bidin'ny vary sy ny hen'omby. Manodidina ny ariary zato sy roanjato izany fisondrotana izany. 1 500 ariary ka hatramin'ny 2 000 ariary amin'izao fotoana izao ny vidin'ny vary iray lovia raha tsy misy latsaky ny 1 000 ariary ny tapany. Tafakatra 600 ariary kosa ny sakafo eny amin'ireo mpivarotra hani-masaka mandehandeha raha 500 ariary izany teo aloha.
« Efa hiaraha-mahita ihany ny fahasahiranana ka dia any amin'ny laoka no atao moramora mba tsy ahabe ny mason-karena » hoy ny mpivaro-mandeha iray manoloana ny tranompokonolona Analakely. « Tena efa niezaka ny hitazona ny vidiny teo aloha ihany izahay, saingy nitombo be loatra ny mason-karena » hoy kosa i Andrisoa Martin, mpivarotra an-taona maro etsy amin'ny Zaimaika Analakely. « Na ny saribao na ny sakafo atokona dia samy nahitana fitomboany avokoa ka dia voatery izahay nanondrotra kely » hoy ny mpivarotra hafa.
Ahena ny fandaniana
Etsy an-daniny, misy ihany koa ireo mpivarotra no tsy nampiakatra ny vidin'ny sakafo masaka fa nisafidy ny hanena ny fatrany. « Matahotra izahay sao mihemotra ny mpanjifa ka any amin'ny fatrany no nanesorana kely » hoy Rasoaseheno Meltine, mpivarotra etsy amin'ny tsenan'ny Petite vitesse. Marihina fa raha araka ny nambaran'ireo mpivarotra nampiakatra ny vidin'ny sakafo ao aminy, dia tsy nisedra olana tamin'ny fanondrotana izy ireo, satria efa mahalala tsara ny zava-misy ny mpanjifa.
Ho an'ireo mpanjifa kosa dia tsy maintsy mividy na dia hita aza fa tsy zaka. Raha ny fanadihadiana natao man-tsy dia misy fiantraikany eo amin'ny teti-bolam-piankaviana izany fisondrotan'ny vidin'ny hani-masaka izany, ary ireo mpianatra sy mpi-asa lavi-podiana no tena mizaka izany. « Telo mianaka izahay no misakafo antoandro any amin'ny toerana misy azy avy ka tena hita be mihitsy ny fitombon'ny vola miala » hoy Raharimanana Lydia, renim-pianankaviana mipetraka any Ambohidratrimo, ary miasa ao Tsaralalana.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire