VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 8 novembre 2010

Inty sy nday: Tsara, tohizo !

Betsaka ny talanjona sy vaky vava taorian'ny resaka nataon'ny filohan'ny tetezamita tamin'ny vahoakan'Antananarivo, ny sabotsy lasa teo, ka velom-panontaniana hoe misy fahagagana ve eto amin'ity Nosy ity?...
Mahagaga tokoa fa tsy mitrosa, tsy mangataka amin'ny any ivelany, tahaka ny niainana hatramin'izay ity tetezamita ity kanefa afaka manao tetik'asa fampandrosoana sy hanatsarana ny fiainan'ny vahoaka amina fotoana fohy ezaka. Koa na hokianina ho mpanohana be fahatany aza, rey olona, dia ambara fa tsy maintsy lazaina kosa ny zavatra tsara miseho eto amin'ny firenena, ary amporisihina ny nahavita an'izany ê. Tsara, tohizo, hoy ny fanamarihana fanaon'ny mpampianatra rehefa misy ny vokatra mahafa-po any an-dakilasy any.
Na izany kosa aza anefa dia maha lasa ny eritreritra ihany ny hoe iza no "hanara-maso" an'ireo hatao ireo, rehefa aoriana ao? Hisy amin'izy ireo no ho efa hijoro, amin'ny fiandohan'ny repoblika fahaefatra, ary hisy ny ho mbola eo an-dalam-pananganana azy. Araka izany dia mampametra-panontaniana ny hoe hitohy ve ny asa, ary hanao ahoana ny ho fitantanana azy raha toa ka efa tafajoro ireo fotodrafitrasa ireo? Ny ahiahy mantsy tsy ihavanana ka ampahatsiahivina ihany ny tantara: efa nisy, tany amin'ny repoblika voalohany tany, ny hoe kaoperativa sy "ferme d'Etat", sy ny sisa, kanefa… nanao ahoana ny niafarany? Efa mba nanao an'izany "tsena" noheverina hanala fahasahiranana izany koa ny tamin'ny repoblika faharoa, tamin'ny alalan'ny "Kaoparema" sy ny "35 000 logements" ohatra, kanefa… hatraiza no nahavelomany, ary trano firy no voatsangana?... "Amboary ny lalantsika…" no tabataban'ny mpitondra farany teo, kanefa… firy kilaometatra no vita tao anatin'ny fotoana naha teo amin'ny toerana, ary naharitra fotoana tahaka ny ahoana ny fahatezan'izany lalana vita izany?... Ny teo anelanelan'ireo moa dia tsy ahitana hambara afa-tsy ny hoe nifampizara tombontsoa fotsiny ny mpifampy akama tao amin'ny fitondrana ka izay tsy nahafa-po tamin'izany dia naongana.
Ny resaka teo aloha àry dia ny hoe "tohizo!", kanefa inona no hotohizana?... Ny asa izay mety hotavanin'ny hitondra manaraka ve sa… ny hijanonana eo amin'ny fitondrana mba hahafahana mametraka zavatra mivaingana ho an'ny vahoaka?... Eritreritra miposaka ny hoe nahoana moa raha ity tetezamita ity no tohizana, satria ity izao no hita fa tsy mampidi-trosa ho an'ny taranaka, tsy voateriterin'ny any ivelany, tsy mety ho voafingan'ny ato anatiny, kanefa mahavita manampy ny vahoaka. Inona tokoa moa no olana, raha heverina ny hoe ny an-dry zareo tany Côte d'Ivoire aza naharitra enintaona mahery?...
Lalou

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire