VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

dimanche 7 novembre 2010

Faritra iva Efa zatra dobo-drano

Toy izao ny fiainan'ny olona eny amin'ny faritra iva rehefa fotoam-pahavaratra.


Tsy mampaninona ireo mponina eny ambany tanàna intsony ny miaina anaty rano rehefa fotoanan'ny rotsak'orana toy izao. 


Miakatra ny rano. Tsy miraika firy loatra amin’izany ny ankamaroan’ireo mponina amin’ny faritra iva na tonga any an-tokantrano aza ny rano. « Tsy zava-baovao aminay intsony ny fiakaran’ny rano ety rehefa fahavaratra, satria efa ela no niainanay izany », hoy Razafindramiarana, mponina eny Andranomanalina.
Iny faritr’i Andavamamba, Anatihazo, Andranomanalina, 67 ha atsimo iny no tena voakasik’izany isaky ny fotoam-pahavaratra. « Efa ela izahay tety no nanao fangatahana teny anivon’ny manam-pahefana isan’ambaratongany mba hijery akaiky ny faritra misy anay, nefa tsy nahitam-baliny izany hatramin’izao. Izahay anefa mponina misoratra ara-dalàna amin’ny fokontany ary mandoa adidy ara-potoana ihany koa, nefa toa hodian-tsy hita izany. Tsy maintsy miaina amin’ny zava-misy izahay manoloana izany », hoy kosa i Mamafara, monina eny Antsahalovana.
Efa nandray andraikitra
« Ny trano manamorona akaiky ireo tatatra no tena mizaka ny fiakaran’ny rano », hoy ny fanazavana nentin’ny sefom-pokontany iray amin’ireo faritra iva ireo. « Tonga hatreny amin’ny arabe ny rano rehefa tena betsaka, ka lasa miteraka olana amin’ny fifamoivozana. »
Tsy niandriandry ireo mponina fa nandray andraikitra avy hatrany. « Izahay ihany no manilika ny rano ho any amin’ny tatatra sy manamboatra izany rehefa maimaina ny andro », hoy ireo mponina eny Andranomanalina. « Ankoatr’izay dia misy koa ireo tetezan-kazo sy vato natao andehanana rehefa tena miakatra ny rano», hoy ihany ny fanamarihan’izy ireo.
« Raha hatreny an-dohalika ny rano dia ampiakarina eny ambony latabatra ireo entana ahiana ho mora simba. Raha efa hatreny am-balahana indray kosa dia na aterina amin’ny havana ny entana dia mijanona matory ao an-trano ihany, na mamonjy tany maina ka manamboatra trano lamba na trano baoritra eo », hoy Radaoro, raim-pianakaviana monina eny Antsalovana ihany.
Ankehitriny dia efa nanomboka nihena ny rano teny an-toerana satria tsy nisy orana nandritry ny roa andro. Mbola hatreny an-kitrokely anefa ny rano ao amin’ny tokantrano sasany.
Volana Rakotoharimanana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire