VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

jeudi 23 septembre 2010

Fanamparam-pahefana.... Voatonontonona ao amin’ny Fiadidiana ny Praiminisitra

Image
Minisitera 5 no efa nangatahina hamaha ny olana mikasika fitrandrahana vatosoa any  amin’ny faritr’i Vatovavy Fitovinany nefa dia mbola tsy hita ihany izay marina.Fifanandrifian-javatra ve sa kendrena natao mihitsy. Ao anatin’ny fotoana anehoan’i Mahazoarivo  amin’ny vaho-aka Malagasy fa miasa sy mahavita ny andraikitra nan-kinina aminy izy no sesilany ny fanaratsiana samihafa. Vao tsy ela akory ny resa-be momba ny « bois de rose ».  Amin’izao fotoana izao, re-saka fanamparam-pahefana sy fandrahonana ho faty ary fakàna an-keriny tompona tany itrandrahana vatosoa ( corindon ) hatramin’ny 2007 any amin’ny faritr’i Vatao-vavy Fitovinany, distrikan’Ifa-nadiana, kaominin’ambanivohitr’i Maroharatra ( fokon-tany Sahomby Fiadanana ) no mahavoatonontonona ny anaran’ny Fiadidiana ny Praiminisitra. Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety, tamin’ny  hôtely iray eto an-drenivohitra, omaly ilay manana taratasy mazava ahafahany mitrandraka ny tany sy ny mpiara-miasa aminy.  Nandritra izany no nampahafantarana fa mitonona ho mpiasa eny Mahazoarivo ireo manamboninahitra am-bony 02 miaraka amin’ny fitaovana mahery vaika toy ny grenady, lance roquette mandrahona ny mpiasa sivily ao amin’ilay toerana fitrandrahana. Ary tsy vitan’izany fa mikiry biby manohy ny fitrandrahana na dia efa nisy taratasy fampitsaharana izany aza avy amin’ny «polices des mines », tamin’ny volana aogositra.
Miantso ny Filohan’ny HAT!
Araka ny fanazavana nomen’ ny ekipan’ny dokotera Eliane, ilay nahazo alalana hitrandraka vatosoa dia niantso olona hiara-hiasa aminy ( collaborateur ) izy satria mavesatra na ny fitaovana na ny karaman’ny mpiasa. Ny asa fitrandrahana raha-teo 6 volana vao ahazoam-bokatra. Nisy taratasy nazava nirakitra ny fifanarahana. Taty aoriana anefa dia nanita-kevitra ilay natao ho mpiara-miasa ka nitaky ny hizarana mitovy ny tombontsoa. Nanomboka teo ny fampitahorana, nandalo tamin’ny fitondrana andian-jiolahy ary izao niafara tamin’ny fidi-rana mpitandro filaminana izao. Nomarihin’ireo ekipa nanao valan-dresaka ho an’ ny mpanao gazety fa mialokaloka amin’ny Fiadidiana ny Praiminisitra io « collaborateur » io. Ary ny tena manahirana, hoy izy ireo dia efa minisitera 05 ( Fitsa-rana, Foloalindahy, Tontolo Iainana, Pôlisy, Harena an-kibon’ny tany ) no nangatahana hamaha olana nefa mbola tsy mahita mangirana ihany. Efa nisy fotoana nampifanatrehan’ny tale jene-raly sy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany ary nahatsikaritra fitanilanana tamin’ ny fanelanelanana izy ireo. Taorian’izay dia nalaina an-keriny tany Sahomby Fiada-nana ireo mpiambina sivily 08, nofatorana nentina tany Mananjary. Manoloana ireo zava-misy ireo dia miantso ny Filohan’ny tetezamita mba hijery akaiky ny fototry ny olana ny ekipan’ny doko-tera Eliane satria heverin’izy ireo fa ny hamongorana ny fanaparam-pahefana toy izao no nitakiana fanovàna.
V.R.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire