VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

jeudi 2 mai 2013

Kandidà filoham-pirenena Miisa 17no voahilika ?


Mandeha be ny resaka nanomboka ny alarobia lasa teo fa miisa 17 ireo kandidà mety tsy hahazo ny fankatoavan’ny CES amin’ny filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena, amin’ireo 48 nanatitra antontan-taratasy tetsy amin’ny HCC Ambohidahy. Am-polony raha ny feo mandeha ireo tsy mbola nandrotsaka ny antoka 250 tapitrisa ; ao kosa ireo tsy nahafeno ny fepetra toa ny fe-potoana enim-bolana naha teto an-tanindrazana azy sy izay antony hafa izay ny CES irery ihany no tompon’ny teny farany amin’izany. Voatontonona ao anatin’izany ny anaran’ny kandidà Lalao Ravalomanana sy ny amiraly Didier Ratsiraka izay niteraka resabe tokoa. Isan’ireo kandidà mampitahotra ny fanjakana HAT tokoa mantsy izy mianaka ireto, toraka izany koa ny kandidà Ny Rado Rafalimanana izay vao avy nahazo ny tso-dranon’ny pasitera Mailhol farany teo tetsy amin’ny Carlton Madagascar. Hatreto tokoa mantsy dia mbola mijanona ho fanontaniana ny loharanom-bolan’ity kandidà tohanan’ny Apokalipsy ity. Voalohany amin’izany ny fiarahany amin’ireo mpanambola saodiana ; faharoa manana olana avokoa ireo orinasany eto Madagasikara.
Ceni-T
Mitodika any amin’ny Ceni-T ny mason’ny mpanara-baovao. Ity rafitra iray ity mantsy no heverina fa hiantoka sy hanao izay hisian’ny fifidianana mangarahara ary eken’ny rehetra. Toa mangiana fotsiny anefa ny Ceni-T eo anatrehan’ny fihetsika ataon’ireo kandidà sasan-tsasany, indrindra ny avy amin’ny fitondram-panjakana, toa ny kandidà Camille Vital, Hajo Andrianainarivelo ary Edgard Razafindravahy, amin’ny fanaovana propagandy mialohan’ny fotoana, ny fampiasana fitaovana sy mpiasam-panjakana ary volam-panjakana. Porofo mitohoka amin’ny tenda ny fanadiovana ny faritra manodidina ny HCC, fotoana fohy nialohan’ny fahatongavan’ny PDS nanatitra ny antontan-taratasiy ny alahady 28 aprily 2013 lasa teo. Raha misy ny kandidà tokoa hampiharana izany sazy tsy fahafahana milatsaka hofidiana izany dia ireto kandidam-panjakana ireto no tokony ho voalohany indrindra satria tsy manaja ny foto-pisainana takiana amin’izany fifidianana madio sy eken’ny rehetra izany. 

1 commentaire:

  1. JTV | Casino, Hotel and Resort in Mahoning - Timings
    JTV | Casino, 김포 출장마사지 Hotel and Resort in Mahoning 경상남도 출장마사지 · Hotel Address · Phone Number · Location. 동해 출장마사지 890 J.R. St. 김해 출장안마 Louis, MO 61930. 구미 출장안마 Map. Directions · Map.

    RépondreSupprimer