VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

dimanche 28 novembre 2010

Nodimandry i Elie Rajaonarison: Very olomanga ny tontolon'ny zava-kanto Malagasy

Nodimandry tamin'ny asabotsy 27 novambra 2010, teo amin'ny faha-59 taonany i Elie Rajaonarison noho ny tsy fahasalamana tampoka.
Rajaonarison Elie no anarana nasalotry ny ray aman-dreniny azy. Teraka tao Ambatondrazaka izy ny 15 novambra 1951. Anisan'ny antony iray nireharehany sy nametrahany ho hambo ny maha gaona azy izany, na avy eny Ambohidrano Atsinanana, Avaradrano aza no tena fiaviany.
Olon'ny soratra feno i Elie Rajaonarison. Iray tamin'ireo angady nananana sy vy nahitana ny fijoroan'ny Faribolana Sandratra izy, roapolo taona mahery izay. Niaraka taminy tamin'izany ry A.R.Ni.(efa maty), Solofo José sy Lydiary, Manitra Andriamasinoro, Rakotonirina Gérard, Ranöe, J.Nalisoa Ravalitera. Mbola izy koa no lakana nampita sy nametraka ny Antsan-tononkalo fanaon'ny Faribolana Sandratra ao amin'ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely, niaraka tamin'ny talen'io foibe ara-tsaina io, Eckehart Olszowski, roapolo taona lasa izay.
Toy ireo mpiray faribolana aminy, na tsy tafaraka aza, anisan'ireo mpiondrika sy mpitady boky tranainy na saro-tadiavina eny amin'ny boky tonta izy. Maro amin'ireo nifanerasera taminy no tafara-dalana taminy tamin'ireny fotoana ireny. Raha fehezina, iray amin'ireo karazan'olona mpiondam-boky i Elie Rajaonarison.
Mbola eo amin'ny sehatry ny zavakanto sy ny soratra ihany, maro ny boky misy ny sorany : Amboaran-tononkalo I, Ranitra, Sandratr'Antsa, Anjambolana, sy ny maro hafa, izay novokarin'ny Faribolana Sandratra sy/na ny Edisiona Tsipika, ankoatra ireo amboara madinika famoakan'ny Faribolana isam-bolana sy ny gazetin'ny haisoratra " Ambioka ". Boky farany nivoaka teto an-toerana ny " Anjoria ", niarahany nisalahy tamin'ireo zandry ao amin'ny Faribolana Sandratra nandritra ny Antsan-tononkalo tao amin'ny Cgm tamin'ny volana oktobra lasa teo.
Iray amin'ireo nomanin'ny mpiray faribolana hitondra lahadinika ao amin'ny Foibe Unesco ao Behoririka izy ka ny 15 desambra izao no fandaharam-potoana.  "Redy anjoria : any ambadiky ny misy ny misy ", no lohateny saiky natolony.
Nilona tamin'ny tontolon'ny kolontsaina sy ny serasera i Elie Rajaonarison. Iray tamin'ireo fitarikandron'ny FM tamin'ny onjampeo teto Madagasikara, niaraka tamin-dry Tsilavina Ralaindimby, Niry Ravelojaona ary Nicolas Ratsimandresy izy. Mbola nifanosona taminy hatrany ireo nandritra ny fahavelomany, nikirakira ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Nilofosany ny famokarana sy fitadiavana sehatra hivelaran'ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ka nanjary nifaneraserany tamin'ireo sokajina mpanakanto maro toa an-dry Njila, Samoela, Ricky, Tsiakoraka, Tselonina, Ifanihy, Ralanto, Sesely, sy ny maro hafa sy ho voatanisa. Notohizany teny Ambohitsaina izany tamin'ny fampiroboroboana ny Oniversite sy ny kolontsaina tamin'ny alalan'ny fampianarana tao amin'ny "Médiation culturelle ". " Poète universitaire " rahateo no famaritany ny tenany, araka ny fanazavan'ny fianakaviana. Ankoatra ny maha poeta azy, mpampianatra sy mpikaroka eny amin'ny Oniversite, amin'ny sampana " Anthropologie " i Elie Rajaonarison. Nitety faritra maro niaraka tamin'ny mpiray faribolana izy, nanapariaka ny kanto vita amin'ny soratra toa an'Antsirabe, Ambatondrazaka, Mahanoro, Vatomandry, Toliara, Antsiranana, Toamasina sy ny maro hafa. Tsy vitsy koa no niarahany tamin'ireo mpisehatra ny kolontsaina hafa. Voatety hatrany amin'ny Ceg sy lycée isan-karazany.
Mpaka sary kanto koa ny lehilahy izay narantiny ao amin'ny Ccac nomeny ny anarana hoe " Dindo sy Vina". Mpandrindra an-tsehatra tamin'ny seho maro koa izy.
Nahatazanana azy koa ny tontolon'ny politika. Iray tamin'ireo namorona ny antoko Avi izy, araka ny fahafantarana azy. Efa nitana andraikitra ambony tamina minisitera toy ny sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny kolontsaina sy ny serasera, mpiandraiki-draharaha tao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny amin'ny maha diplaomaty azy, mpanolotsaina tany amin'ny minisitera, mpanolotsain'ny kaominin'Antananarivo Renivohitra. Azo lazaina fa nandray anjara feno tamin'ny fiainam-pirenena i Elie Rajaonarison. Manam-boninahitra fiandry koa izy. Niofana tao amin'ny Akademia miaramilan'Antsirabe, andiany " Dimby ". " Katibo " tamin'ireo indray andia taminy izy, ary niasa tany amin'ny Bani Ivato tamin'ny fotoan'androny. Nisafidy ny lalana nampianatra teny amin'ny Oniversite izy, taorian'izany.
Fiteniny amin'ny mpiray Faribolana ny hoe " Izay tsy mihetsika, … mihitsoka ", "Izay tsy mahandry … mandeha ", " Isika mizara fanahy ", " Isika tsy mitsoka lavenona fa mikopaka ny afo ho velona ", "Mamorona fa tsy mamerina ".
Manambady an'i Mamie i Elie Rajaonarison, manan-janaka telo mirahavavy sy zafikely maromaro.
Amin'ny ora nanoratana ity fampahafantara fohy ity dia mbola tsy fantatra mazava ny fandaharam-potoana amin'ny fandevenana hatao eny Ambohidrano Atsinanana. Hisy "Alim-betso" hokarakarain'ny Faribolana Sandratra mandritra ny fiandrasana ny razana ao Lazaina ny alatsinainy alina mandra-maraina. Fantatra fotsiny fa ny talata amin'ny 2 ora tolakandro no hiainga ao Lazaina ny razana ary hoentina amin'ny iray amin'ireto toerana ireto : Tranompokonolona Analakely na Espace Rado ka andrasana amin'ny iray amin'ireo toerana ireo, hisian'ny fanomezana mariboninahitra. Ny alarobia no hoentina eny amin'ny Esplanade Oniversiten'Antananarivo ary miala eny amin'ny 11 ora antoandro eo ho eo. Hoentina ao amin'ny Fjkm Ambohidrano Atsinanana mialoha ny hanitrihana ny razana.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire