VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

jeudi 7 octobre 2010

Diniho kely ity: Mitandrema tsara àry!

Raha ny vaovao re, omaly, dia efa nametraka "préavis" na filazana mialoha fa hitokona koa ny mpiasampanjakana, manomboka ny talata ho avy izao. Na tsy holazaina aza dia azon'ny maro an-tsaina fa ny resaka karama no anton'izany "grevy" izany. Ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia mbola tsy mba nanenjika na nanome tsiny ny mpitokona, rehefa mandeha araka ny lalàna izany. Rehefa misy ny "service minimum" ka tsy mikatso ny raharaham-pirenena; rehefa tsy antony pôlitika, na hikendry fanakorontanana no anaovana azy dia hajaina tanteraka ny zon'ny mpanao fitakiana. Matoa koa misy ny fitakiana ka tonga hatrany amin'ny fitokonana dia satria misy ny soa heverina fa tokony ho azo kanefa tsy azo.
Na izany na tsy izany aza anefa dia misy ihany ny fanamarihana tiana hatao. Raha ny marina dia ireo azo lazaina ho mpiasampanjakana "madinika" ireo milaza ny hitokona ireo, ary izany no mahatonga ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hanontany ny hoe tsy matahotra ve ry zareo ireo ê?...
Iaraha-mahalala ny zava-misy eo amin'ny sendikan'ny mpitsara sy ny minisitera misahana azy ireo fa efa tonga hatrany amin'ny hoe hotapahina ny karaman'ny mpitokona. Ahiana ho tahatahaka izany koa, hono, ny ho fanapahana mikasika ny mpampianatra mpikaroka eny amin'ny oniversite… koa raha izany ve no hahazo an'ireo fonksiônera "madinika" dia ho tantiny ê?... Efa nisy, ohatra, ny tapaka karama, tamin'ny fotoanan'ny teo aloha, dia ny mpitarika ny Seces, na ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka, fa azo lazaina ho "nahazaka" izy ireo rehefa nifanohantohan-tsy ho lavo teny. Ho afaka hanao tahaka izany anefa ve ireto "madinika"?...
Nilaza moa ny mpitondra tenin'ireo hitokona ireo fa "efa mafy lamosina", kanefa tsy hahadiso angamba ny hilaza ny hoe mila fitandremana ihany ity hetsika hataon-dry zareo ity. Vao tara andro vitsivitsy fotsiny aza mantsy ny karama dia efa mikaikaika ny mpiasampanjakana koa mainka fa tsy handray mihitsy?… Sao re sanatria ka hitarika ady an-trano ao amin'ny samy "mpitolona" izany ê.
Fantatra ihany koa anefa fa ilay sokajin'ny mpiasampanjakana matahotra famindran-toerana ireto manomana fitokonana ireto, koa tsy hohalavaina ny resaka fa hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hoe mitandrema àry dia… diniho tsara ny hatao ê!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire