VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

mardi 14 septembre 2010

DINIHO KELY ITY: Nahamenatra ny tsy nahavita !...

Na ho inona na ho inona no holazaina dia tokony hiaraha-manaiky ihany ny hoe nahamenatra ny fihetsika nasehon'ny filoha avon'ny tetezamita tany Antsiranana, ny faran'ny herinandro teo iny. Nahamenatra, satria toy ny hoe tsy nahay na inona na inona fa dia "nianatra" ny nataon'ny prezida teo alohany. Nitafy lambahoany, nisatroka "Kieffefh",… ary indrindra aza, mbola nindrana ny voambolan'ilay zokibe hoe "romboy" ihany koa. Tany amin'ny "faritra" maha mafy an-dry zalahy ireo no nisehoan'izany rehetra izany,ary tany amin'io faritra io ihany koa no nanaovan'ilay boaikely ny hetsika.
Nahamenatra ny nisy… Nahamenatra mihitsy, satria ny nanana ny fahana no tsy nahavita ny vitan'ilay "boaikely": ny miaramila be galoana, no sady ambony indrindra, niasa tany an-toerana; ny tompon-tany, ny voafidy avy any sy ny nampanantena… tsy nisy nahavita. Ny "mpahalala" indrindra amin'ny fahasalamana, nanana ny fahefana rehetra no tsy nahatsangana na dia tobim-pahasalamana "kely" aza, afa tsy ny faran'izay kely, raha nisy, kanefa samy nanana ny fankatoavan'ny iraisam-pirenena sy ny fanampiana ara-bola niaraka tamin'izany izy rehetra ireo. Fa nankaiza daholo ny vola rehetra azo tamin'izany ê?...
Mbola hisy ny fotoana hanontaniana sy hangatahana ny valin'izany fa mialoha izany no ametrahana ny hoe "henatra" be ity nisy ity. Henatra ho an'izay nampanantena; henatra ho an'ny tompon-tanàna; henatra ho an'ny nitondra kanefa tsy nahavita; henatra ho an'ny nanana sy manana antoko pôlitika kanefa "tsy nanao"; henatra ho an'izay nitady ka nahazo toerana kanefa… henatra ho an'izay nanome "seza", kanefa tsy nahita valiny ihany koa.
Betsaka no menatra. Menatra aby isika… Fa menatra noho ny rehetra ny nampanantena kanefa tsy nanao. Raha ny marina dia fomba iray nampisehoan'ny "tetezamita" ny nahafahany nanao ny tsy vitan'ny teo aloha iny tany Antsiranana iny. Takatry ny teo aloha anefa ve izany? Fantatry ny mpomba azy ireo koa ve?..
Be ny vola fa… nankaiza?
Tsy ny fihetsiketsehan-dRajoelina no inona ê. Izy aza efa tsy hilatsaka, koa diniho kely izany ê!
Alain N.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire