VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 10 décembre 2012

SADC Misakana an-dRajoelina sy Ravalomanana





Nifarana ny sabotsy 8 desambra 2012 lasa teo ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC tany Dar es Salaam. Nandray fanapahan-kevitra ihany ny SADC efa-taona aty aoriana, rehefa nahatsapa fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina no tena fototra tsy mampivaha ny krizy eto amintsika. Mazava ny fanambarana nataon’ny SADC izay milaza fa ny tsy filatsahan-kofidian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika faha-IV no vahaolana tsara indrindra hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Leo an-dRajoelina sy Ravalomanana ny SADC, izay no azo hamintinana ny fanambarana nivoaka taorian’ilay fivoriambe tsy ara-potoana tany Dar es Salaam.
Loza mitatao
Tandindomin-doza tanteraka ny firenena noho izao fanapahan-kevitra noraisin’ny SADC izao. Efa fantatra mantsy fa tsy hanaiky izany tsy fahafahany milatsaka hofidiana izany na Ravalomanana na Rajoelina izay efa manomboka ny fampielezan-keviny rahateo amin’ny alalan’ny famerenana ny Vary Mora, ny fitokanana ireo fotodrafitrasa ary indrindra ny lanonana hatao rahampitso Talata ho fankalazana ny tsingerin-taonan’ny Repoblika faha-IV. Tsy hanaiky izany rahateo koa ny Magro sy ny mpomba ny filoha teo aloha izay mino fa handresy amin’ny fifidianana raha afaka milatsaka hofidianana ny “dadan’izy ireo”.
Firaisankinan’ny kandidà
Olana goavana manoloana izao fanapahan-kevitry ny SADC izao koa anefa ny Foloalindahy. Hanaiky izany ve ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ireo zava-nitranga teto amin’ny firenena ? Loza mitatao ho azy ireo ny tsy fahalanian’ny floha Andry Rajoelina mainka hoe tsy mahazo milatsaka hofidiana mihitsy ny tenany. Any amin’ireo kandidà efa nilaza fa handray anjara amin’ity hazakazaka masina ity ny mason’ny mpanara-baovao. Hanamafy ny fanapahan-kevitry ny SADC ve izy ireo? Izay firaisankinan’ny kandidà izay mantsy no mety hampahomby na tsia io tsaokevitra tapaka nandritra ny fivoriana tany Dar es Salaam io satria tsy tokony ho olona roa kosa no hisakana ny fivoahan’i Madagasikara sy ny vahoaka 20 tapitrisa amin’izao lavaka lalina manjo ny firenena izao. 







Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire