VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 20 juin 2011

BEACH SOCCER – AFRIQUE 2011 Nandresy ny Bafana ny Barea


Na dia vao fandraisana anjara voalohany aza no nataon’ny ekipa nasionaly malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja beach soccer, tsy nitsanga-menatra ny Barea. Resiny ny Bafana Afrika Atsimo.
Isa telo no azon’i Madagasikara, ao amin’ny sokajy B, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja beach soccer, tanterahina any Maraoka. Izany dia taorian’ny naharesen’ny Malagasy ny Bafana Bafanan’i Afrika Atsimo, nandritra ny andro faharoa izay natao, ny alakamisy lasa teo. Nomontsanin’ny malagasy tamin’ny isa mazava 3 noho tsy misy ry zareo Afrikana tatsimo. Flavien, Anderson ary Bernardin no nahatafiditra ireo baolina ireo. Marihina fa Afrika Atsimo izay efa inefatra nampiantrano ny tompondakan’i Afrika, raha sambany kosa i Madagasikara no nandray anjara tamin’izany. Araka ny vaovao voaray, nohambanian’ny Afrikanina ny Malagasy teo amin’ny andro voalohany, izay noheverina fa ekipa fangalana isa. Ankehitriny, tsy misy tsy miresaka an’i Madagasikara ny any an-toerana, noho ny zava-bitan’ny mpilalaontsika. Ry zareo Nizerianina, izay tompondakan’i Afrika 2010, dia nilaza fa tsy azo atao tsinontsinona ny Malagasy ary firenena faran’izay atahoran-dry zareo amin’ity fifaninanana ity.
Faharesena iray nanoloana ny Super Eagle’s Nizeria sy fandresena iray tamin’ny Bafana no azontsika ary miady ny toerana faharoa tsara indrindra, hahazoana miakatra amin’ny dingan’ny manasa-dalana i Madagasikara ankehitriny. Anio no hanatanterahana ny lalao manasa-dalana amin’ity beach soccer ity ary ny alahady kosa ny famaranana. Ireo ekipa roa voalohany no misolo tena an’i Afrika eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hatao any Ravenne, Italie ny 1 – 11 septambra ho avy izao.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire