VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

jeudi 24 février 2011

Diso lalana ny TGV !


Magro 24 fev 11

Magro 24 fev 11
Isan’ireo tanora avy amin’ny faritra mavitrika mikabary eto amin’ny kianjan’ny Magro I Ignace,  tao anatiny ny krizy dia be loatra ny “conférence de presse” vita hoy izy,  hany ka tsy mahita lazaina intsony ny mpanao politika sasany tahaka ny “Exopol”. Ny vahoaka ary anefa  tsy mbola mangataka akory hoe aoka i Ravalomanana hitondra fa tsy mbola lany ny mandat-ny fa miverina an-tanindrazana sy mirotsaka fotsiny ihany no takiany .Nametram-panontaniana ihany koa izy , Ry Rajoelina, efa impiry moa ianareo no nivory tany Ivato sy nanao sonia? Fa inona no vokatra azonareo? Zanaka UDR sy TGV daholo no mihazakazaka, miampy ireo diso lalana. Raha ny tokony ho izy dia ny 2/3 ny hevitry ny ankolafy telo no dinihana satria ireo no mamim-bahoaka sy hitam-poko sy hitam-pirenena fa mbola mahavory vahoaka hoy hatrany I  Ignace.

“ Taorinan’ny Sabotsy19 febroary iny dia nisy “hémorragie” tsy mety mijanona teo anivon’ny mpanao politika tsy mahazaka vahoaka ka havory haingana dia haningana” izy ireo, hoy Rajo, mpitarika ireo fikambanana isan-karazany eo anivon’ny tolona etsy amin’ny Magro. Nanambara ihany koa izy fa latsaka an-katerena ny Malagasy.Ny firoborobon’ny olona mpivarotra na amoron’dalana sy eny rehetra ireny no hitarafana ny fahantrana ny firenena iray hoy izy.

Hoan’ny Sekretera Jeneralin’ny FRDL kosa indray dia nampita hafatra hoan’ny mpanelanelana iraisam-pirenena izy,  mitady tetika hafa hanadinona ny herintsika tamin’ny 19 febroary ny FAT ka aoka tsy hilatsaka anatiny ny jonon’ny mpanongam-panjakana ianareo SADC, hoy Ingahy Desiré , Rajoelina tsy nanaja ny soniany ka tsy tokony ho filohan’ny tetezamita intsony izy .
I Mektoub indray dia nanamafy  fa tsy misy mahalala ny andro higadonana ny filoha roalahy. Tsy isika no tompon’ny fandaminana fa izy roalahy ka aoka hivonona hatrany hoy izy. Ohatra goavana momba ny fihavanana izany ka izay malagasy tsy tia fihavanana dia miala.
Amin’izao fotoana izao, hoy Mektoub,  dia mibaribary fa tsy zakan’i Rajoelina ny mitondra firenena. “Aveu d’impuissance” no nataon’i Rajoelina tany Tamatave ary miaiky izy fa tsy misy dikany ilay 17 Novambra.

Ny solombavam-bahoaka voafidy tany Vavantenina indray dia nilaza fa mora ny maka fahefana fa ny manatanteraka sy mitazona azy no sarotra. Vorona azon-jaza ny fitondran’i Andry ka raha tsy maty an-tanana dia votsitra. Manao fampisehona sy ny mamadi-dresaka no hain’i Andry hoy I Zafilahy . Tsy misaraka  ny vahoaka sy ny filoha Ravalomanana  ary ho azotsika io fahefana io. Mila mahafantatra ny vahoaka fa ny FAT no namotika ny firenena tao anatin’ny roa taona ary vao misy zavatra mahasahirana azy dia mamorina zavatra hafa hatao foana I TGV, tahaka ilay vary 900 Ar satria nilaozan’ny vahoaka izy. Volan’ny BDR io ividianana vary mora io. Ary na mora aza, sarotra ny vola hividiana azy satria na ny asa aza veryhoy hatrany ny tenany. Vary, hopitaly… fasana manarapenitra sisa no tsy misy satria tsy voavidy ny vary dia makany amin’ny hopitaly dia maty rehefa tsy mahavidy fanafody.
Ny manondidina ny filoha Ravalomanana no nampisy barazy ny resaka hatramin’izay, lasa aiza anefa ireo olona ireo amin’izao ? hoy ny fanontaniana napetrany.Tsy havelantsika helingelenin’ny mpitaty ra-kena intsony ny filoha. Izahay izao aza sazy miantona sahy ka aiza ianareo ? Hasehoy fa tsy naloham-bahoaka ny filoha Ravalomanana hoy hatrany izy.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire