VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

jeudi 10 janvier 2013

Kardinaly sy ny Villa 450 tapitrisa : « Manala baraka ny katôlika ny kardinaly Gaetan »


« kristianina tsy mandà fanomezana ! hano fa adala tompo ! ». Maro angamba ny mahatsiahy an’io fitenin’i Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra io, fony izy nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tamin’ny taona 2001 raha nanolotra an’ireo masontsivana folo ifantenana izay mendrika ho Filohampirenena ny FFKM.
Io fehezan-teny io tokoa mantsy no nentiny namaly ny mpanao gazety izay nanontany azy ireo manodidina indrindra ny fampiasana sy fanomezana vola ny mpifidy mba hanjonoana ny safidiny.
Nandritra ny fotoana nahalehiben’ny finona Katolika Romana eto Madagasikara azy tokoa mantsy dia tsy nisalasala izy nijoro ho mpomba ny fitondrana sy niara-niasa akaiky tamin’ny Filohan’ny Repoblika. Singanina tamin’ireny ohatra ny fiarahan’izy ireo nitokana ny fiangonana katolika tamin’iny faritra Andramasina iny, ka ny Filohampirenena no namatsy vola azy.
Torak’izany koa ny nampitaovana an’ireo solontenan’ny tanora katolika Malagasy tamin’ny JMJ natao tany ivelany.
Rehefa nandeha nisotro ronono Ingahy Kardinaly noho ny fe-taona, dian nanamboaran’ny fitondram-panjakana trano mitentina 450 tapitrisa fmg izy mba hiadanany any Besalampy, ka na ireo samy mpisorona aza mba taitra ihany satria tsy fahita loatra ny toy izany.
Niarahan’ny rehetra naheno rahateo moa farany teo, fa tsy nisalasala izy nanohana ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana raha toa ka nandroaka an’i Mompera Urfer izy ireo.
Miova Andriana tokoa, miova sata. Notendren’i Vatican ho arsevekan’Antananarivo handimby ny Kardinaly ny Monsenera Odon Arsène Razanakolona. Nandefa helikaoptera manokana haka azy tany amin’ny diosezin’Ambanja moa ny Filoha Ravalomanana, araka ny loharanom-baovao, saingy dia naveriny izany fiaramanidina izany fa naleony nandeha sambo, sy fiaramanidina hihazo ny renivohitr’i Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao ihany koa dia tsy niombon-kevitra ny Katolika tamin’ny nanoloran’ny Filohampirenena vola 100 tapitrisa ny tanora nandritra ny JMJ nataon’izy ireo tany Toamasina, ka nisy aza ny nagataka tamin’ny eveka mba tsy andraisana an’izany vola izany.
Niezaka hametraka ny katolika amin’ny toerany moa ity Arsevekan’Antananarivo ity, ka te hipetraka ho tsy mpomba ny mpanohitra na mpomba ny mpitondra izy fa te hijoro arak’izay nanirahan’ny evanjely azy marina, araka ny fanambaran’izy ireo ombieny ombieny.
Matetika toa manindrona ny fitondrana ny fanambaran’izy ireo. Mahatsiaro tena ho voadona ny mpitondra, ny mpanohitra rahateo mipikelika ka soketaina ho lasa mpanohitra fitondrana izy ireo.
Indraindray kosa mba mahazo sitraka ny fitondrana noho ny asa nataony, ka heverin’ny mpanohitra ho toy ny tsindro-paingotra ho azy indray ireny. Dia toy izany hatrany no niainan’ny Katolika.
Saingy ny raharaha Urfer teo no nampipoaka ny vanja, indrindra ny fomba nitondrana azy toy ny jiolahy teny amin’ny seranam-piaramanidina, izay tsy nahazoana akory nitafa taminy na dia fantatry ny mpitondra aza fa tonga teny an-toerana ireo delegasiona mafonja tompon’ny fahefana avy amin’ny finoana Katolika eto Madagasikara, izay notarihan’ny Arseveka Odon Razanakolona. Namoaka fanambarana nanameloka an’ity raharaha ity moa ny fiombonamben’ny Eveka taorian’izany, kanefa ny mifanohitra tamin’izany no nataon’ingahy Kardinaly.
“Enta-mavesatra ho anay ihany ny Raiamandrany Kardinaly. Manaja azy aho amin’izay toerana misy azy izay, kanefa toy ny manofy ihany raha mahita mpitondra katolika ka tsy hiombon-kevitra amin’ny fanapahan’ny fiombonamben’ny eveka, izay faratampony amin’ny fitondrana ny EKAR eto Madagasikara.
Mivavaka ho azy isika.  » Izay angamba no fantany fa mety ka tsy hifanomezan-tsiny ?  » hoy ny pretra iray sendra tafaresaka taorian’ny fanamasinana ny nandraisan’ireo zaza ny Sakramenta Masina voalohany tamin’ny fetin’ny Pentekoty teo.
Raha ireo fifanoheran-javatra rehetra ireo no dinihana, dia tsapa ho manala baraka ny Finoana katolika ihany ingahy Kardinaly, ary toa manamarina ny fiheveran’ny fanjakana ny katolika ho mpanohitra aza ny endriky ny fanehoan-keviny imasom-bahoaka. Raha manameloka ny fomba nandroahana an’I Mopera Urfer ohatra ny fiombonamben’ny Eveka, izy kosa dia toa momba an’izany ary nandetika aza nataony. Raha nagataka fanampiana tamin’ny Filohampirenena hatrany ohatra ingahy Kardinaly, ny tato aoriana kosa ny namerina ny vola aza no nokatsahiny.
Izany hoe raha nisisika mafy hifamatotra amin’ny Filohampirenena ny kardinaly, ny tato aoriana kosa te hametraka lamina sy famaritana mazava amin’izay endriky ny fiarahamiasa marina iarahana amin’ny fanjakana izay, kanefa tondroina ho mpanohitra fanjakana noho izay foto-kevi-dehibe ijoroany izay. Ka tantara mbola hitohy ity fihenjanan’ny tady eo amin’ny katolika sy ny fitondram-panjakana ity ka nandrasana ny ho tohiny.
Source : RR, Gazety MALAZA N°327

mardi 8 janvier 2013

Fiainana mpanakanto – Mandà ny maha sekta ny antokom-pinoana misy azy ry Poopy


Nanamafy i Poopy fa fivavahana Hebreo no arahiny ankehitriny resabe, hatrany anaty tambajotra sosialy any anaty tranonkala ny fiovam-pinoan’i Poopy, ilay mpanakanto malaza fantatra tamin’ny fiangaliana ireo hira ara-pilazantsara nitiavan’ireo mpankafy azy.
Raha sekta amin’ny ankapobeny no nanasokajiana ireo fiangonana maro isan-karazany ivelan’ireo fiangonan-dehibe nisy hatrizay teto Madagasikara, dia mandà ry Poopy fa tsy ao anatin’izany ny ny fiangonana misy azy ankehitriny (Ndlr: Vakio Ao Raha laharana 2205).
Ny teny ao anaty Baiboly hatrany no nentiny nanamarinana izany. “Tany an’efitra no teraka ny fivavahana hebreo ary tao amin’ny tanin’Israely koa no teraka ny fivavahana Notsri izay notarihin’I Ieshua Hamashiah (na Jesoa Kristy). Nony maty daholo ny Apostoly rehetra tamin’ny taona 105 dia niova tanana io fivavahan’ny zanak’Israely io ka lasan’ny Grika. Kristianisma no anarany. Teo no nanomboka ny tena sekta”, hoy i Poopy.
“Sekta ny Katolika…
Tsy nisalasala ity mpanakanto ity nilaza fa “ny finoana katolika niforona tamin’ny 7 marsa 321, ny ôrtôdôksa niforona tamin’ny 1054, ny loteranina tamin’ny 31 oktobra 1534, ny anglikanina tamin’ny 1534, ny kalvinisma (protestantisma) tamin’ny 1536 izay teraka tao Eoropa no tena sekta, fa tsy izahay izay miverina amin’ny Andriamanitry ny razanay. Izahay no tompony”, hoy izy naneho ny heviny. Mbola nohamafisiny tao anatin’izany, araka ny fampianarana nampitaina taminy amin’izao finoana vaovao arahiny izao , fa “Hebreo ny Malagasy”.
Nanindrom-paingotra ireo fiangonan-dehibe eto Madagasikara i Poopy raha nilaza fa “misy antony matoa gisitra eo amin’ny sehatra ara-toekarena i Madagasikara, kanefa ny fiangonana sasany mahavita manao fidirana indroa na intelo… Ireo karazana teratany vahiny no mifehy ny firenena. Manitikitika ny saina ny mahakasika ireo fiangonana voatondro fa manodinkodim-bola, ireo mpitondra fivavahana manolan-jaza…”, hoy izy.
Tiana ho marihina fa ny teny hoe « secte » na sekta, amin’ny teny fanagasiana azy dia voalaza fa avy amin’ny teny latina hoe « secta » izay midika hoe “lalana arahina”. Mety ho antoko io arahina io, mety ho foto-kevitra ara-pilôzôfika, mety ho finoana ihany koa.
Hanitry Ny Aina
 http://www.aoraha.com/fiainana-mpanakanto-manda-ny-maha-sekta-ny-antokom-pinoana-misy-azy-ry-poopy/

Faritra Anôsy. 113.435,56kg ny vokatra jono nandritra ny taona 2012 any Faradofay

Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin’ny talen’ny sampandraharaha misahana ny jono sy ny harena anaty ranomasina any amin’iny faritra Anôsy iny no nahafantarana fa mahatratra eo 113 435,56 Kg (113,435 Tonnes) eo ny vokatra langoustes tamin’ity taom-panjonoana 2012 ity. 
Mpanjono iray miaraka amin'ny oratsimba azony
Mpanjono iray miaraka amin'ny oratsimba azony
© http://valeriefortdauphin.files.wordpress.com
Mpandraharaha 06 samy efa matihanina avokoa no mitrandraka ny vokatra ary mahafeno ny fepetra avokoa na eo aza ny tsy fanarahan-dalàna madinidinika, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. 

Amin’ny ankapobeny voahaja ireo fepetra napetraky ny ministera mpiahy tamin’iny taona iny. Raha amapahatsiahivina araka ny lalàna manan-kery amin’izao fotoana, mifehy ny Jono langouste na oratsimba dia ny 1er Janoary ka hatramin’ny 30 Septembra no fotoana azo itrandrahana ny oratsimba, mikatona kosa ny jono ny1er Oktobra hatramin’ny 31desambra. 

Zany hoe manomboka amin’io volana Janoary mitsidika io dia haresaka ny morondranomasina. Akoatra izay tsy azo atao ny maka ireny oratsimba na langoustes mitondra atodiny, sy ireo langouste latsaky ny 20cm. Mba ahafahana mampitombo ny vokatra tsy ho lany tamingana no anton’izany. 

Amin’ny ankapobeny hoy ity talem-paritra ity dia anisan’ny mampidi-bola hoan’ny faritra sy ny fitondrana Malagasy ity vokatra iray ity. Na eo aza anefa ny ezaka ataon’ny tsirairay dia Mbola misedra olana ireo mpiasa sy ireo mpandraharaha ao amin’ity sampana iray any Anôsy. Midadasika ny faritra iasana satria mahatratra eo amin’ny 194km eo ny halavan’ny morontsiraka na morondranomasina. Ny fitaovana eo am-pelantanana tsy ampy mba tsy hilazana hoe tsy misy satria dia motos roa ihany no itambaran’ireo mpiasa ireo. Ny lalana sady kizo no ratsy. Hetahetan’ ny mpandraharaha ny hanana fitaovana mifandraika amin’ny asa atao, mba ahafahana manome vokatra tsara kokoa. Ireo mpanjono osa no jerena iza haha-matihanina azy ireo ary nambaran’ity talem-paritra ity fa tsara raha mba misy ny atrik’asa lehibe hifampidinihana mahakasika ity jono langoustes ity any Faradofay. Tamin’ny resa-dresaka ihany no nanomezana ny fivoaran’ny jono langouste tany amin’ny faritra Anôsy, nanomboka ny taona 2002 ka hatramin’ity taona 2012 ity. 
Ny vokatry ny fanjonoana oratsimba tany amin'ny faritra Anosy nanomboka ny taona 2002
Ny vokatry ny fanjonoana oratsimba tany amin'ny faritra Anosy nanomboka ny taona 2002
© -
Mahakasika ireo orin’sa araka ny loharanom-baovao azo tamin’ny tomponanadaraikaitra, enina izy ireo zay samy manana ny maha izy azy avy: 
-Martin Pécheur: 46.806,486kg ; 
-Madapêche:41.446,95kg ; 
-Mme Myriam :1764,00kg ; 
-SoiexT/CVM :5736,35kg ; 
-MSP:6609kg; 
ary EMI:836kg 

Ny sisa kosa na autres circuits:10236,31kg. Ireo no Mitotaly: 113435,56kg na 113,435tonnes ny vokatra ny taom-panjonoana 2012. 

Mahakasika ny vola miditra kosa indray nomarihiny fa ny fitondrana foibe no mikirakira azy io. Amin’ny ankapobeny ,anisan’ny faritra manana ny maha izy azy iny faritra Anôsy iny eo amin’ny resaka toe-karena raha voatrandraka ara-dalàna ireo harena maro samihafa any an-toerana hoy ireo mpandraharaha ara-toekarena. Nomarihin’ny talem-paritry ny sampandraharaha misahana ny jono sy ny harena an-dranomasina any Anôsy, Atoa Razafimandimby fa na eo aza ireo olana ,tsy mahasakana ireo ekipa tsy hanao ny asany amin’ny tokony ho izy izany. 

Fampanantenan’ny Filoha Rajoelina

Raha ny mahakasika ireo mpandraharaha manokana dia nanolotra tondrozotra ifampifehezana amin’ny fitondrana izy ireo nandritra io fihaonana fifampiarahabana tamin’ny janoary 2012 io. 
Nisy ny fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina tamin’ireo mpandraharaha eto Madagasikara nandritra ny fifampiarahabana nifanaovany tamin’ izy ireo teny Iavoloha ny janoary 2012. Nilaza ny mpandraharaha sasany nanontaniana fa mbola tsy nisy anefa ny fanatanterahana izany hatramin’izao, herintaona aty aorian’ilay fihaonana io. Raha tsiahivina dia anisan’ireo nihaona tamin’ny Filohan’ny tetezamita ihany koa ny mpanakanto, ary ny mpanao fanatanjahantena nandritra io fifampiarahabana noho ny fetin’ny Asaramanitra io. Efa saika nahazo ny anjarany daholo na ny mpanakanto, na ny mpanao fanatanjahantena. Tsangambaton’izany rahateo ireo fotodrafitrasa notokanana teny Antsonjombe sy ny kianja Makis manamorona ny arabe « digue » akaikin’Andohatapenaka raha tsy hilaza afa tsy ireo. Raha ny mahakasika ireo mpandraharaha manokana dia nanolotra tondrozotra ifampifehezana amin’ny fitondrana izy ireo nandritra io fihaonana fifampiarahabana tamin’ny janoary 2012 io. Mizara izy io ka misy ny antomotra ezaka, ary misy ny antonony sy lavitr’ezaka. Voalohany, ao anatin’ny fotoana fohy dia haloa ny vary mangatsiaka trosan’ny fanjakana amin’ny mpandrahara. Hojerena ny famahana ny olan’ny delestazy. Hisy ny fiaraha-midinika eo amin’ny mpandraharaha sy ny fitondrana. Hojerena ny momba ireo mpandraharaha mpitsinjara solika ( toby fivarotan-dasantsy). Hojerena ihany koa ny fiantohana ny fiarovana sy ny fandriampahaleman’ireo mpanao fitaterana, eo amin’ny aina sy ny fananana. Harovana ny indostria malagasy manoloana ny fitobahan’ireo entana vahiny. Faharoa, eo amin’ny ezaka antonony dia hirosoana ny fampiharana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Farany, eo amin’ny lavitr’ezaka dia hapetraka ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. 
Fa anisan’ny zavatra nandrandrain’ireo mpandraharaha rava fananana tamin’ny 29 janoary 2009 ihany koa ny fanomezan’ny fanjakana fanampiana ho azy ireo. Fa na ho an’ireo niharamboina ireo na ho an’ny mpandraharaha amin’ny ankapobeny dia anisan’ny nandrandrain’izy ireo fatratra izay mba ho fitsinjovan’ny fanjakana manokana azy ireo teo amin’ny lafiny hetra sy haba, izany hoe fanalefahana ny haba sy ny hetra aloany. Milaza ireo mpandraharaha fa tsy tena mbola nisy ny fanatanterahana an’io. 

lundi 7 janvier 2013

VIE DE PARTI : La mort lente du MFM

Que reste-t-il du parti MFM ? Cette entité créée par Manandafy Rakotonirina est devenue officiellement parti politique le 27 décembre 1972. Pourtant, pour le 40ème anniversaire de l’une des formations politiques les plus influentes de l’histoire de l’après-indépendance, aucune manifestation officielle n’est encore prévue. 
L’on sait seulement que tous les ans, les têtes pensantes du MFM ont fait tradition de rendre visite au père fondateur à son domicile, à Ampefiloha. Une occasion sûre pour les plus fidèles des partisans de renouer avec le passé du parti, mais aussi d’analyser le présent et le devenir du parti au sein du paysage politique national.
À ses débuts, le MFM avait adopté un penchant idéologique gauchiste, privilégiant le prolétariat malgache. Parmi ses partisans figurent des jeunes idéologues, des penseurs, des visionnaires et mobilisateurs de foule issus des rangs des frustrés du supposé « néocolonialisme » dirigé par Philibert Tsiranana, premier président de la République, de 1958 à 1972. 

Lutte des classes
C’était à l’époque où les jeunes désœuvrés des couches défavorisées avaient créé le ZOAM (Zatovo ory asa malagasy), ayant constitué le noyau dur du MFM, ainsi que les Jomak’Ampamarinana, les chanteurs de quartier à l’origine de plusieurs « tubes » aux tons révolutionnaires, toujours appréciés de nos jours, tels les « De aôna koa ny manaraka », « Ampitampitao », etc. 
Soucieux de la souveraineté et de l’identité nationale, le MFM s’est trouvé parmi l’initiateur du concept « fanagasiana » ou la malgachisation, programme éducatif appliqué tout au long du premier régime de Didier Ratsiraka, de 1975 à 1991. Un concept que le parti lui-même a fini par rejeter en 1991, avec le soulèvement populaire ayant marqué l’entrée de Madagascar dans l’ère libérale et de la démocratisation, ainsi la fin du régime socialiste. 
« Cet ancrage prolétarien associé au mouvement politique mené par des intellectuels a fait du MFM le parti le mieux adapté aux mouvements populaires », reconnait Jeannot Rasoloarison, historien. Pour preuve, le parti se trouvait au premier plan des manifestations anti-régimes, autant en 1972 qu’en 1991 et en 2002. 
En effet, l’année 1991 marque un revirement idéologique radical pour le MFM, passant d’un penchant presque extrême-gauchiste à une tendance néolibérale basée sur des modèles occidentaux. Farouche opposant de l’adhésion de Madagascar aux instituts de Bretton Woods, à savoir la Banque mondiale et le FMI à l’époque où il était membre du Conseil suprême de la révolution (CSR), Manandafy Rakotonirina, économiste et sociologue de formation, a fini par céder à l’idée que le pays ne connaîtra pas le développement sans le soutien de ces bailleurs traditionnels.

Au revoir
Le dernier congrès national du MFM remonte en 2006, à Antananarivo, avec comme fond la candidature de Manandafy Rakotonirina à l’élection présidentielle qui s’est tenue la même année. À cette époque, le leader du parti en couleurs rouge et noire était conseiller spécial du président Marc Ravalomanana, alors à l’apogée de sa force, et candidat à sa propre succession. 
Selon les propres dires, de Manandafy Rakotonirina, le MFM avait accepté de faire alliance au régime de Marc Ravalomanana, vu que ce dernier partage la même vision que le MFM dans son programme de développement basé sur le libéralisme économique et la démocratisation. 
Néanmoins, cela n’empêche pas Manandafy Rakotonirina de conduire son parti à se ranger aux côtés des opposants pour contester un « autoritarisme abusif » de Marc Ravalomanana, durant la période des campagnes. « Reconnaissant le charisme de Manandafy, la nation et les politiciens malgaches se sont habitués à céder presque aveuglement aux caprices idéologiques du MFM, et d’en assumer par la suite ses conséquences», commente Jeannot Rasoloarison.
À l’heure actuelle, le parti MFM se trouve vieilli par l’âge et abandonné par ses adeptes qui ont choisi de fonder leur propre parti ou suivre d’autres courants, à l’exemple des Pety Rakotoniaina, Théodore Ranjivason, Sareraka, etc. De son côté, Manandafy Rakotonirina, actuellement un adepte juré des modèles américains se trouve à la tête de son parti depuis voilà 40 ans. 
Si l’alternance est ainsi reconnue comme un aspect incontournable d’une démocratie moderne, le MFM est-il de ce principe ?

Capacités limitées de transformation des produits agricoles 

S ecteur timide. Il s'agit de la transformation des produits agricoles à Madagascar et dans l'ensemble des pays de l'Afrique subsaharienne. L'agribusiness apporte une valeur ajoutée de 180 US dollars dans les pays développés avec 98% de produits agricoles transformés, alors que cette valeur n’est que de 40 US dollars dans les pays moins avancés où la capacité de transformation est limitée à 30%. Ce qui implique une perte inestimable de récoltes en matière de fruits, de légumes et de graines.
Le livre « Agribusiness pour la prospérité de l’Afrique » lancé la semaine dernière à l'Hôtel Panorama, par l’Organisation des Nations unies pour le développement industriel dévoile les difficultés des pays africains à développer leur capacité de transformation et propose des solutions comme stratégies pour faire avancer l'agribusiness, en particulier l'augmentation de la productivité agricole, la modernisation des chaînes de valeur, l'exploitation des demandes locale, régionale et internationale, le renforcement des efforts technologiques et des capacités d’innovation, la promotion d’un financement efficace et innovant, la stimulation de la participation du secteur privé et l'amélioration des infrastructures ainsi que l’accès à l’énergie.
L'auteur du livre conseille aux dirigeants, hauts responsables du secteur de l'agribusiness et chercheurs malgaches de s'inspirer de l’ouvrage qui contribue à la lutte contre la pauvreté, en mettant en œuvre les stratégies proposées en vue d’une avancée significative et des résultats palpables au bénéfice du pays.

Filière vanille : Baisse de la production


La récolte de la vanille prendra fin plus tôt que prévue pour cette campagne, bien que cette dernière ait débuté tardivement. Selon les explications reçues, la campagne de vanille pour l’année 2012
a été retardée afin que les fruits prennent plus de maturité et donc, d'une meilleure qualité. Mais cette fin précoce s’explique en réalité par la baisse de la production. Si les estimations s’élevaient à 1.700 tonnes au début, la production a stagné à 1.500 tonnes. Pourtant, les producteurs ont misé sur la quantité et qualité de la production au début de la campagne.
En 2011, les dates de début de campagne ont été fixées au 15 juin en zone littorale, et le 15 juillet dans les zones montagneuses et les plateaux. Cette année, elles ont été reportées respectivement pour le 10 juillet et le 10 août. En général, la campagne s’achève au mois d’avril mais cette fois-ci, elle se terminera au mois de février.
Si Madagascar produit annuellement 4.500 à 5.000 tonnes de vanille verte, la vanille préparée et exportable se situe toujours aux environs de  1.300 tonnes. Pour cette campagne, les estimations tablent sur 1.600 à 1.700 tonnes de quantité exportable, contre 1.500 tonnes en 2011 dont le prix est de 22 dollars.
La région SAVA est la première productrice de vanille en raison du climat humide bénéfique à sa culture mais de moyenne production sort des régions de Mananara nord et Maroantsetra (littorale est) et une petite production dans les régions Diana et Sofia (dans le nord-ouest du pays).